Taratra

TARATRY ny KANTO

Manomboka manina ny zavakantony ny Malagasy monina any ivelany. Na tsy misy aza ny mpikarakara fampisehoana, ireo Malagasy any an-toerana mihitsy no mivondrona ka miantso ireo mpanakanto mihira kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Tsy sehatra goavana no hanatanterahina ilay seho, fa na izany aza, ilay hanina ny an’ny tena […]

Slam nationale 14: Big Stone sy Konahy Junior no solontenan’Antsiranana

Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny Alliance française d’Antsiranana, ny fifaninanana nifantenana ny solontenan’Antsiranana, amin’ ny « Slam nationale 14 ». Big Stone sy Konahy Junior, no voafidy tamin’izany. Hifani­nana amin’ny fifaninanana olon-tokana sy hitondra ny anaran’Antsiranana, araka izany, izy ireo amin’ny fifani­tsanana isan-tanàna. Nafana ary fampisehoana feno no natolotry ny mpikarakara […]

Havatsa # Sandratra : hisolo baolina ny penina

Sambany ! Hifanandrina eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ny mpanoratra. Fikambanana roa samy goavana eo amin’ny fikajiana sy fameloma-maso ary fanomezana aina ny soratra no hikatroka amina lalao baolina kitra. Havàtsa-Upem hifandona amin’ny Faribolana Sandratra. Fihaonana hotanterahina, ao amin’ny Kianja RM1 Andohan’Analakely, ny tolakandron’ny alarobia 6 septambra izao. Hosoloina baolina ao anatin’ny […]

Federasion’ny mpihiragasy – Kianja vaovao : « Hisintona mpizahatany ny hiragasy », hoy i Dadafara

Mitohy tsy tapaka isaky ny alahady ny adin-kiragasy tanterahina eo amin’ny Kianjan’ny hiragasy etsy Ampefiloha. Manao ny ezaka hampivelarana izany rahateo ny Federasion’ny mpihiragasy. «Amin’ny ankapobeny, mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanohizana ny fandaharam-potoana rehetra. Misy hatrany ny adin-kiragasy eto amin’ity Kianjan’ny hiragasy ity, isaky ny alahady », hoy Ramilison ( […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 115 tapitrisa Ar ny anjaran’ny fanjakana malagasy, hampiasaina ho an’ny enim-bolana faharoa ho an’ny taona 2023, ao anatin’ny PIAA2. Fandaharanasa hitantanana ny fako eto Antanana­rivo io, iarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Nandray anjara tamin’ny fivorian’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Brics sy […]