Taratra

UDR : Mijoro amin’ny fampandrosoana

Tsy misy fampandrosoana miroso raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny antoko iray miara-miasa amin’ny fanjakana ny antoko Union des Ré­publicains (UDR) izay tarihin’i Fitiavanjanahary Stéphane Kennedy. “Rehefa misy fitondram-panjakana mijoro eo ka manana foto-kevitra hampandrosoana ny firenena dia mi­sokatra amin’ny fiaraha-miasa izahay”, hoy izy. « Ilaina sy zava-dehibe […]

Atletisma-« Mada 2024 » : voalohany ny ligin’Analamanga

Nanjakan’ny faritra Ana­lamanga tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja atletisma, sokajy zandriny, taom-pilalaovan 2024, izay nifarana afakomaly, teny amin’ny Kianjan’ Alarobia. Araka ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), medaly volamena 32 no azo­ny. Mitana ny laharana faharoa kosa ny atletan’Atsinana­na, izay nahazo volamena 19, raha toa […]

Isandra : hijery ny sosialy ny depiote Raoto

Tontosa ny faran’ny herinadro teo, teo amin’ny kaominina Anjomanitsara, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny depioten’ny distrikan’Isandra, Raoto Ralambozafy. Namba­rany fa hifototra amin’ny andry dimy ny fampandrosoana any an-toerana: ny fampianarana, ny fandrimpahalemana, ny fa­hasalamana sy ny fambolena ary ny fiompiana. “Faritra mena ny aty Isandra teo aloha fa efa fongotra ny […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Mody mihavana isika raha miaina tsy fahamarinana”

Nanafatrafatra ny rehetra ny eo anivon’ny fiangonana Katolika, tamin’ny alalan’ny kardinaly Tsarahazana Desiré, tany Antsiranana. Voaresaka ankolaka ny momba ny raharaham-pirenena. “Lasa mody mihavana isika raha miaina ao anatin’ny tsy fahamarinana, manambaka ny hafa, manao tsindrihazolena. Lasa mody mihavana isika raha mbola miaina ny fanavakavahana”. Io ny hafatry ny arsevekan’i […]

INDRAY MIJERY

Hanomezana sehatra manaja ny tandrohasina sy ny fehezam-pitsipika amin’ny lafin’ny fahasalaman’ny saina sy ny manodidina ny asan’ny « psychologue », mampahatsiahy ny besinimaro ny Holafitra nasionalin’ny psychologue eto Madagasikara fa ny anarana maha «psychologue » dia arovan’ny lalàna ary ny anarana «psychothérapeute» kosa natokana ho an’ireo «psychologue» sy mpitsabo nahazo […]