Efa nisokatra, ary azon’ny rehetra tsidihina, mandritra ny lalaon’ny Nosy, ny « Village Culturel des Jeux des îles », eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Toerana ahitana asa tanana sy haikanto samihafa. Ankoatra izay, misy koa ny hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, iarahana amin’ireo mpanakanto avy amin’ny nosy manodidina. Tanjona amin’izao ny hampiala voly sy hitondra ny mpitsidika hitety […]
Taratra
Tsipy kanetibe : nahazo alalàna tamin’ny FIJP ny fifaninanana
Afaka ny ahiahy sy ny tebitebin’ny rehetra mpilalao sy mpankafy ny tsipy kanetibe. Ny alarobia lasa teo, nandefa mailaka ny federasiona iraisam-pirenena (FIJP), ka nanome alalàna ny komity mpikarakara ny lalao (COJI) fa afaka hifaninanana amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity, ny taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, nosazian’io rafitra iraisam-pirenena io ny […]
KOM SY MJS: afaka mandray anjara ny taranja karate
Resaka nandeha nanomboka omaly, teny amin’ny tambajotran-tserasera, ny mahakasika ny taranja karate, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Ho fandravonana ny olana misy, nanao fanambarana niraisana, omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny eo anivon’ny Komity olympika Malagasy sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambaran’ izy ireo fa ho tombontsoan’ny firenena, afaka […]
Fanombohan’ny hetsika : ho tonga eto Antananarivo anio ny afon-dalao
Hanomboka anio, eto Madagasikara ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy anatin’ny ranomasimbe Indianina. Efa vonona ny fampiantranoana izany hetsika ara-panatanjahantena sy kolontsaina izany. Anio zoma 25 aogositra ny fotoana hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Hanamarika ny fanombohan’ny hetsika ny fahatongavan’ny afon-dalao, eto an-drenivohitra. Toerana hanatontosana ny […]
Sombim-baovao
Tratran’ny areti-kibo ireo maorisianina mpilalao basikety miisa telo, omaly. Hiatrika ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara izy ireo. Marihina fa efa eto an-toerana avokoa izy ireo, raha ny fanazavana voaray, efa voavaha ny olana ary efa salama tsara avokoa ny mpilalao. Tsiahivina fa i Maurice, miray vondrona « A » amin’i Madagasikara. Nifamotoana […]