Nankalaza ny faha efa-taona nijoroany ny Deuxième bataillon d’infanterie de Marine Antsiranana na ny 2è Bima, ny 6 janoary 2025 teo. Hetsika maro no nentin’izy ireo nanamarihana izany, toy ny hetsika ara-panatanjahantena isan-karazany, ny fizarana loka sy amboara ireo nandrombaka izany ary ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo miaramila eo […]
Taratra
Imerintsiatosika: mpivaro-kena ny iray amin’ireo mpangalatra tratra
Mpivaro-kena ao an-tsenan’i Imerintsiatosika ny iray amin’ireo jiolahy tratran’ny zandary. Noraisim-potsiny teo am-pibatana kisoa avy nangalarina ry zalahy ireto… Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Imerintsiatosika, ny 6 janoary teo ireo jiolahy mpangalatra kisoa. Nahazo antso fanairana ny kaomandin’ny tobim-paritra fa misy olona ahiahina ho nangalatra kisoa ao amin’ny […]
Indray mijery
Toa zary iri-mahaory ny rivodoza amin’ny toerana sasany satria tena io no heverina hahazoana orana sisa. Maina loatra ny tany, miandrandra orana ny ankamaroan’ny faritra maro fa tena mijaly ny fambolena. Tsy mbola hay na hipaka aty amin’ny afovoantany izay efa tena karakaina ny orana entin’ilay andro ratsy na tsia. […]
Fiatrehana ny fahavaratra: nanome fanampiana ny Direct Aid
Vary 270 gony, menaka 150 baoritra, ronono 12 baoritra, siramamy 36 gony ary macaroni 180 baoritra no natolotry ny firenena Arabie Saoudite amin’ny alalan’ny ONG Direct Aid ny BNGRC, ny talata teo. Mitentina 108 tapitrisa Ariary ireo fanampiana ireo. Fianakaviana miisa 1000 mahery na olona manodidina ny 5000 hatramin’ny 6000 […]
Toetr’andro: hivadika ho rivodoza mahery vaika i Dikeledi
Mitombo hery hatrany ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indiainina, araka ny tatitra nataon’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Heverina fa hivadika ho rivodoza anio alina ity andro ratsy ity ka hitondra ny anarana hoe : Dikeledi. Ho lasa rivodoza mahery vaika izy any an-dranomasina any. Hanambana ny […]