Raim-pianakaviana iray naratra voatsindrona antsy teo amin’ny takibany, omaly maraina, tetsy Anjanahary. Handeha hamonjy asa maraina, nandeha moto izy, no tratran’izany. Nikasa hangalatra ny moto nentiny ilay mpanao ratsy. Lasa nitsoaka vao avy namely. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay naratra, taorian’izay. Raim-pianakaviana iray hafa, maty kilan’ny afo tao […]
Taratra
Mpiala sasatra tany Toamasina : Ankizivavy 13 taona natelin’ny ranomasina
Nitrangana lozan-dranomasina ny fiatombohan’ny fialantsasatra any amin’ny faritanin’i Toamasina. Ny zoma lasa teo, ankizivavy 13 taona no natelin’ny ranomasina rehefa nilalao rano teny amoron-dranomasina. Nifanandrify tamin’ireo toerana natao fisotroana sy fipetrapetrahana ny nisehoan’ny loza. Ankizy mpanao vakansy maromaro no niaraka nilalao rano tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 4 ora […]
Namono vehivavy mpitazona Cash point : Lehilahy voarohirohy, maty nodoran’ny fokonolona
Lehilahy iray noahiahina tamin’ny famonoana vehivavy iray mpanao Cash point tany Maintirano, maty nodoran’ny fokonolona velona tany an-toerana, omaly tamin’ny 4 ora hariva. Voatazona tao amin’ny biraon’ny FIP Maintirano izy io, ny sabotsy. Nitaky ny hamoahana azy ny fokonolona sy ny fianakavian’ilay vehivavy nisy namono. Omaly, tezitra ireo vahoaka ka […]
INDRAY MIJERY
Taorian’ny fahavoazana sy ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani tao amin’ny “Laboratoire ACSSQDA”, niroso tamin’ny asa fanarenana ity fotodrafitrasa ity ny fanjakana. Vita tanteraka izany ary niverina ho toy ny vaovao indray, natao araky ny fenitra ahafahany mahatohitra rivodoza sy loza voajanahary mety hitranga. Araka ny fangatahan’ireo mpianatra sy ny toromarika […]
Fahasambarana Mandrakizay: Olona 25 000 mahery no tonga tetsy Antsonjombe
“Fahasambarana Mandrakizay”. Io no lohahevitra nentin’ny fiangonana Vavolombelon’i Jehovah nifampizarana tetsy amin’ny Coliseum, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 25 000 ireo olona tonga nanatrika ny hesika. Fiangonana 101 avy eto an-dRenivohitra no nanatrika izany, amin’ireo fiangonana Vavolombelon’i Jehovah miisa 875 manerana ny Nosy. “Iza ny olona tsy maniry ny ho […]





