Taratra

Mampanahy ny hoavin’i Madagasikara

Mampikaikaika ny maro ny volana janoary toy izao. Vanim-potoana mampiiba ny toekarena sy ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano. Ao ireo manokana tetibola hanaovana fety, misy kosa ireo efa manomana sy nikajy sahady ny fitantanana mandritra ity volana ity. Na izany, sarotra ny fitantanana manoloana ny fisondrotry ny vidin’entana. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny […]

Fizahantany: handray anjara amin’ny “FITUR Madrid” isika

Tanterahina ny 22 ka hatramin’ny 26 janoary, eo amin’ny Parc des expositions IFEMA Madrid, ny hairanty iraisam-pirenena momba ny fizahantany (FITUR), andiany faha-45. Hetsika handraisana ireo matihanina amin’ny sehatry ny fizahantany ka anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB). Ho hita mandritra […]

Fitantanam-bolam-panjakana: tafapetraka ny vovonana handrindrana ny famatsiam-bola

Tsy afa-misaraka amin’ny niomerika ny fitantanan-draharaham-panjakana mba hanamorana ny fikirikirana samihafa sy hampangarahara ny fitantanana. Antony nametrahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (Mef) tetikasa fampandehanan-draharaha ny sehatra famatsiam-bola ivelany. Fitaovana entina hanavaozana ny fitantanana ny famatsiam-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny tetikasa. « Tanjona ny hiantohana ny fampiasam-bola mahomby amin’ireo […]

Vaovao tambatra

Mila mitandrina ny rehetra amin’ny fihinanana hazandranomasina amin’izao fiakaran’ny hafanana izao. Misy ny petadrindrina ataon’ny fanjakana, milaza ireo karazana hazandrano tsy azo hohanina, mba hisorohana ny loza aterak’izany (Icam). Satria miakatra izaitsizy ny hafanan’ny ranomasina, miantoka ny 80%-n’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Niakatra ny haavon’ny reniranon’Ifasy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, […]

Fiovan’ny toetr’andro: ho mafy ny fiantraikan’ny loza voajanahary

Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, manodidina ny 1,2 miliara ny olona ho tratry ny ambana amin’ny loza voajanahary tena mafy maneran-tany. Ao anatin’izany ny hisian’ny tondradrano, ny hafanana tafahoatra sy ny haintany, ny rivodoza, sns. Any amin’ny firenena mahantra daholo ny ankamaroan’ireo olona ireo, toa an’i Mada­gasikara. Ho an’ny […]