Taratra

Profesora Ranaivoson Jeannot Fils : « Mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teny »

« Raha hitady asa, tsy ny teny malagasy no hitsapana ny fahaizan’ny olona iray nefa io no teny hain’ny olon-drehetra. Raha ny teny malagasy ihany no hay dia toy ny olona tsy mahay na inona na inona », hoy ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Anta­na­narivo, ny profesora Ranai­voson Jeannot Fils, momba […]

Karate-« Coupe Internationale » : Atleta maherin’ny 400 no andrasana

Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 10, 11 ary 12 jolay izao, ny fifaninanana « Coupe Internationale d’An­ta­nanarivo », taranja karate. Atleta maherin’ny 400 no andrasana amin’izany. Efa vonona ny fikarakarana ary efa manomboka tonga eto an-toerana, ny alahady teo, ireo mpikatroka avy amin’ny firenena hafa nasaina. Ho an’i Mayotte, 12 […]

« Yas Coupe » – ampahefa-dalana : Hanala vela amin’ny CFFA ny Cosfa

Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara nasionaly « Yas Coupe 2026 », ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Cosfa miaramila. Notanterahina tetsy amin’ny orinasa Yas Mada­gascar Andraharo ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2026». Tafave­rina hifanandrina amin’ity amboara nasionaly ity indray ny CFFA […]

Seranan-tsambon’i Toamasina : Hatsaraina amin’ny niomerika ny fivezivezin’ny kamiao

Tafiditra anatin’ny paikady hampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy afa-misaraka amin’izany ihany koa ny fanatsarana ny fivezivezen’ny kamiao maka sy hanatitra entana ao an-toerana. Eo koa ny paikady hanafoanana ny fitohanana eo amin’ny Boule­vard d’ Ivondro, vavahady hidirana ao anivon’ny seranana. Hialana amin’ny filaharan’ny kamiao […]