Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy iray sy ny sakaizany voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vaky trano tao Vatomandry. Ny 5 novambra 2024 teo, tonga tao amin’ny kaomisaria Vatomandry ny olona iray nametraka fitoriana momba ny fahavakisan’ny tranony ao Ampandranety kaominina Vatomandry. Nanokatra fanadihadiana ny […]
Taratra
Namono an’i Miley kely : roa lahy naiditra am-ponja eny Tsiafahy
Niakatra fampanoavana, roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely sy iray mpiray tsikombakomba niara-notanana am-ponja, ny talata 26 novambra teo. Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ao Tsiafahy ny roa ary ao Ankazondrano, ny iray, izay samy voasaringotra ho nahavanon-doza namono nahafaty an’i Miley, ilay zazavavy 7 taona, tao Fianarantsoa. Nisy […]
Toekarena manga : hikatona ny 1 desambra ny jono makamba
Mikatona manomboka ny voalohan’ny volana desambra 2024 misasakalina ka hatramin’ny 28 febroary 2025 misasakalina ny jono makamba na tsitsika manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Noho izany, antsoina hanambara ireo tahiry ananany manomboka ny 30 novambra ka hatramin’ny 9 desambra, eny amin’ny biraom-paritry ny jono sy ny toekarena manga akaiky azy, ireo […]
VAOVAO TAMBATRA
Hiroso amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasan’ny fikambanana sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), natao sonia ny 22 novambra teo. Anisan’ny voarakitry ny fiaraha-miasa ny fampiofanana ny mpikambana ao amin’ny Fimpima. Ifantohana manokana ny lafiny fambolen-kazo ala […]
Fiovan’ny toetr’andro : Miova ny fomba fambolem-bary
Tsy maintsy atrehina ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa izany ny tantsaha any amin’ny fokontany Avaradrano, kaominina Manakambahiny, distrika Ambatondrazaka. Misongadina ny zava-bitan’ny fikambanana Avotra, mampihatra ny fambolem-bary afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Tanteraka izany noho ny tohana nomen’ny Conservation international (CI), nampiofana ny fomba fambolem-bary manara-penitra. Anisan’ny nisitraka izany Raholdina Maxime, […]