Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo. Tao anatin’izany no nanaovany fanamby ny amin’ny fanaovana sy fanohizana ny fotodrafitrasa efa natomboka ho famaliana ny filàn’ny vahoaka. Ny vahoakan’ny distrikan’i Mandritsara, Befandrina Avaratra, Mananara Avaratra ary Sambava indray no nitafa tamin’ny kandidà laharana fahatelo, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony omaly. Ny […]
Taratra
Ankadikely Ilafy : mpivady niara-naiditra am-ponja
Niaraka notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo mpivady nahatrarana moto halatra tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 5 novambra teo. Nitrangana vaky trano teny amin’ny fokontany Belanitra, anatin’io kaominina io, ny alin’ny 4 novambra. Very tamin’izany ny moto scooter iray sy ny vilany tao an-tokantrano. Naharay fampahafantarana anefa […]
TSELATRA
Niharan-doza ny taksiborosy nitondra ireo zandary 13 lahy mpiana-draharaha avy ao amin’ny andiany faha-77 tao Malaimbandy, omaly. Vaky kodiarana ny fiara ka nivadibadika. Zandary efatra naratra. Lehilahy iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-baovao mihazo an’Ivato, afakomaly alina. Mpitondra moto io lehilahy io . Nifandona tampoka tamin’ny […]
Voadaroka sy voaolana : fito mianadahy natakalo 7 000 000 Ar
Sivy andro notazomina an-keriny vao navotsotra izy fito mianadahy. Tompon’antoka tamin’izany ny 25 lahy nitondra Kalach 4 sy Mas 36 roa. Nandoa 7 000 000 Ar ny fianakaviana. Mahazo vahana ny fakana an-keriny any am-banivohitra Anjozorobe sy any amin’ny faritra Vonizongo. Fito mianadahy no avotra soa aman-tsara afakomaly, rehefa nandoa […]
Faha -18 taonan’ny FC Copain : hanao fifaninanana hahazoana omby mifahy
Amin’izao faha-18 taonan’ ny ekipan’ny FC Copain izao, hikarakara fifaninanam-pokotany izy ireo. Raha ny fanazavana nataon-dRakotondramiara Hasina, filohan’ity klioba ity, omaly, teny Alarobia. Hotolorana omby mifahy sy amboara ary “maillot” izay tompondaka amin’ity andiany voalohany ity. Ondry kosa ny an’ny faharoa. Ny Airtel Madagascar no hiara-hiasa amin’izy ireo amin’ny fikarakarana […]




