Lehilahy iray voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary noho ny fanaovana vola sandoka, omaly. Raha ny fanazavan’ny polisy, niely ny resaka tao an-tanànan’i Mananjary fa misy olona manaparitaka sy mivarotra vola sandoka. Nitombo isa hatrany ireo olona voafitaka noho ny fiparitahan’ny vola sandoka tao an-toerana ka tonga nametraka […]
Taratra
Nandroba 10 tapitrisa Ar: dimy lahy tratra nanafika mpanangom-bokatra
Voasambotry ny zandarimaria ny jiolahy telo lahy sy ny namany izay atidoha tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra tao Tsiroanomandidy. Nahatrarana basy sy ambim-bola nangalariny izy ireo. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’i Fenoarivobe, ny tambajotran-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana kamiao mpanangom-bokatra, afakomaly. Telo lahy tompon’antoka mivantana ary nandray anjara tamin’ny […]
FSM-50 taona : nampiray ny mpino silamo sy ny fanjakana
Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady teo, ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fikambanan’ny silamo malagasy (FSM). Tonga maro nanatrika izany ireo mpino silamo sy ny olo-manan-kaja maro avy eto an-toerana. Fotoana nifanomezan-tanana teo amin’ny mpino silamo sy ny fanjakana malagasy. Antenaina ny hitohizan’izany ho fampandrosoana ny firenena. « Mafy orina […]
Sombim-baovao
Tontosa ny alahady alina teo, tany Etazonia, ny fifaninanana “Musclemana America”. Ny solontena malagasy, i Fitiavana Mickael, no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’izany, raha ny vokatra. Efa ela nanomanana izy ary efa nanantena ny hibata ny fandresena rahateo. Hotanterahina any Mahajanga, eny amin’ny Village Touristique, ny fiadiana ny tompondaka Zone […]
Taekwondo “ITF Mada 2024”: Hamoahana ekipam-pirenena ny fifaninanana
Notontosaina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Taekwon-do ITF. Araka ny nambaran’Andrianjaka Miora, filohan’ny kaomisionin’ny Taekwon-do ITF (TKD ITF) eto Madagasikara, natao handrafetana ny ekipam-pirenena hiatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena sy eto amin’ny faritra Afrika ity fifaninanana nasionaly ity. Nilaza ihany koa […]