Taratra

Barea de Madagascar: Hanao lalao fanomanana efatra, hiatrehana ny Chan 2024

Zava-dehibe ho an’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) ny “Chan 2025”. Hisy lalao sedra miisa efatra hataon’ny Barea ho fanomanana izany. Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Andrefan’ Ampbo­hijanahary, omaly i Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambarany tamin’izany fa hatao matotra ny fanomanan’ny Barea de Mada­gascar ny […]

Fiovan’ny toetr’andro : Nihemotra ny fotoana hanetsan’ ny tantsaha amin’ity taona ity

« Mihemotra ny fotoana hanetsan’ny tantsaha amin’ity taona ity noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fisian’ny orana», hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary, omaly, raha nanontaniana. Mijaly ny ankamaroan’ny tantsaha any amin’ny disitrika maro ary anisan’izany ny any Faratsiho. Na dia teo aza ny orana nilatsaka […]

Asa tanana vita amin’ny hoditr’omby : Olan’ny mpisehatra ny fahavitsian’ny akora fototra

Misedra olana ny mpanao asa tanana vita amin’ny hoditr’omby, amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. Mihavitsy ny akora fototra alaina eny anivon’ny abattoir na toerana famonoana omby eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa efa misy mamandrika mialoha izy ireny ka tsy mahazo ny tsara intsony ny […]

fahafatesana – BMH : Mahavoasazy ny tsy fanambarana

Nanao fampahafantarana tao anaty tambajotran-tserasera ny sampandraharaha misahana ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa tsy maintsy hanaovana filazana fahafatesana eny amin’ny Bureau municipal d’hygiène (BMH) Antananarivo avokoa ireo olona maty. Na teny amin’ny hopitaly na toeram-pitsaboana na tany an-tokantrano no maty ilay […]

Fanalana tavy amin’ny vatana : Efa misy ny misafidy hanao « liposuccion” 

Fomba iray azo hanalana ny tavy eo amin’ny faritra iray na maromaro amin’ny vatan’ny olona ny « liposuccion ». Efa misy ny Malagasy misafidy ny hanao azy eto Antananarivo. Ny tavy eo anelanelan’ny hoditra sy ny nofo (muscle) no esorina amin’ny alalan’ny fandidiana. Lavahana kely eo amin’ny faritry ny tavy miangona hampidirana […]