Nisokatra ny taona 2015 ny akany fibeazana ao amin’ny EPP Sevohipoty. Tsy narisika loatra ny ray aman-dreny, tany am-boalohany. Zara raha nisy 60 teo ho eo ny zaza noraisina an-tanana. “Niova izany ankehitriny, miakatra avo dimy heny ny isan’ny mpianatra. Mahatratra 311 izy ireo ao amin’ny akany fibeazana (préscolaire). Nahatonga […]
Taratra
Fanadinana CEPE : 80,73% ny taham-pahafahana fanadinana
Efa nivoaka avokoa ny voka-panadinana CEPE. Nahatratra 80, 73% ny taham-pahafahana fanadinana, manerana ny Nosy, raha ny voalazan’ny tale misahana ny fanadinana ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Nivojoelina Bazolimanjato, omaly. Niakatra io taha io raha oharina ny tamin’ny taon-dasa (77,84%), araka ny fanazavana hatrany. Cisco 115 no nanatanteraka ny fanadinana. 459 […]
Fikarakarana ny zaza madinika : Nivoatra rehefa nijoro ny toeram-pilalaovana ao Sevohipoty
Tsy manana toerana hialana voly ny zaza ao amin’ny faritra Androy. Variana amin’ny asa fivelomana andavanandro ny reny ka tsy afaka mampilalao na manambitamby ny kilonga. Manoloana izany, najoro ny toerana fampilalaovana sy PNNC hanampy azy ireny. Manana toerana fampilalaovana zaza miisa dimy ny distrikan’ Ambovombe. Matetika napetraka manakaiky ny […]
Hay Tsingory : Nampahafantatra ireo boky atontany
Manampy isa ireo trano mpanonta boky efa misy eto ny Hay Tsingory. Mifototra amin’ny fanontana sy famokarana ireo boky tantara an-tsary malagasy ry zareo. Nisy ny fampahafantarana ireo vokatra ao. Sanganasan’ireo tanora mpanoratra sy mpanao sary, izay miantefa bebe kokoa ho an’ny tanora. Anisan’ireo boky hatonta ao ny Fanambin’i Rijakely […]
Famerenana tsiahy : Tsy voafafan’ny fotoana ireo kanton’i Vola sy Noro
Tsy levon’ny vanim-potoana nifandimby ireo kanto navelan’i Vola sy Noro. Nanamarina izany ilay seho notontosaina omaly. «Famerenana tsiahy ho an’i Vola sy Noro », fampisehoana an-tsehatra notanterahina, omaly, tao amin’ny CCEsca Antanimena. Na, efa ela aza no tsy re firy intsony ireo hira nokaloin’ireo mpanakanto ireo, tsikaritra avy hatrany fa namela […]





