Taratra

INDRAY MIJERY

Hatramin’ny 15 janoary ho avy izao, tsy mbola hisy herijika hisiana rotsakorana mihitsy ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro any an-toerana. Mety hisy tandrifin-drahona mitsitokotoko ihany indraindray amin’ny toerana sasany. Natomboka ny fanadihadiana nasionaly ahafahana mandrefy ny tsy fahampiana kasinga manerana ny faritra […]

Distrikan’ i Mahajanga I: Nofanina ireo Juniors Reporter Club

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, naharitra roa andro, ny fanofanana ireo Juniors Reporter Club (JRC) ao amin’ny distrikan’ i Mahajanga I. Ankizy miisa 45, eo anelanelan’ny 12-16 taona, no nisitraka izany. Niara nanatanteraka ny fanofanana ny sampandraharaham-paritry ny Mponina Boeny, ny minisiteran’ny Tanora, Ko­lontsaina sy serasera ary ny Fanabeazam-pirenena. Lohahevitra nampianarina […]

Fanadinana CEPE: Hanomboka ny 6 janoary ka hatramin’ ny 28 febroary ny fisoratana anarana

Hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny roa volana fahatelo amin’ny taom-pianarana sy ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE. Ny 8 janoary vao handray ny fampianarana telo volana faharoa kosa ny sampana teknika. Hiroso amin’ny telo volana fahatelo amin’ny taom-pianarana 2024-2025 ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra, manomboka […]

FANTINA sy FINTINA

Amin’ny 19 janoary izao, eny amin’ny FLM 67 Ha, ny famindram-pitantanana ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM). Ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raelison Jean de Dieu, indray no ho filoha, araka ny fifandimbiasam-pitantanana. Izy no mandimby ny filohan’ny FLM, ny pasitora Rakotozafy Denis. Ny fifidianana loholona indray no miandry ny […]

Ratsirahonana Lalaina : «Aoka samy hiasa sy handray ny andraikitra manandrify azy»

“Samia manetry tena sy mahay mifamela heloka isika Malagasy. Aoka samy hiasa sy handray andraikitra amin’ izay toerana misy antsika tsirairay avy”, hoy Ratsira­honana Lalaina. Naneho hevitra manoloana ny zava-misy iainan’ny Malagasy ny tenany nandritra ny firariana soa noho ny taona vaovao. An­koatra izay, tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany ihany koa […]