Hifarana amin’ity herinandro ity ny fotoana fialantsasatra. Hiditra hianatra ny mpianatra amin’ny alatsinainy. Hiverina miasa tanteraka ny mpiasa. Mitohy ny raharaham-pirenena. Manohy ny asany ny mpitondra fanjakana. Hiverina amin’ny alarobia izao ny filankevitry ny minisitra. Midika izany fa miditra amin’ny fanodinana ny raharaham-panjakana sy ny fiainam-bahoaka ireo mpindrana fahefana. […]
Taratra
Vahoaka miray : «Hatambatra amin’izay ny lalan’ny mpanohitra»
Nisy ny fihaonana teo amin’ireo antoko mivondrona ao anatin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, omaly, teny Bel’Air. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo ny fijoroana manoloana ny tsy rariny iainan’ny Malagasy. “Tsy hoe miady ny mpanohitra, fa samy nitarika tany amin’ny nandehanany fotsiny. Tokony hatao iray amin’izay ny handehanana, […]
TSELATRA
Efatra no maty, olona iray namono tena, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona, tany amin’ny distrikan’Antsirabe, faritra Vakinankaratra, raha ny tatitra voaray omaly. Raha ny fantatra, maty vokatry ny fibobohana toaka diso tafahoatra ny olona roa tamin’ireo. Maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana kosa ny iray hafa. Azo lazaina fa nilamina […]
Mamo am-perinasa : Miaramila kaporaly nitifitra nahafaty olona
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray notifirin’ny miaramila kaporaly tao Fiadanana, kaominina ambanivohitr’i Sarobaratra Tsaratanàna, ny voalohan’ny volana janoary teo. Mamo teo am-perinasa izy ka norarafany tifitra ilay niharam-boina. Nisahana fiambenana banky iray ao Bekapaika ity miaramila kaporaly nitifitra nahafaty olona ity. Nahazo fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Dina ny zandary […]
Ambohidahy Ankadindramamy : Fatin’olona natsikafin’ ny honahona
Tsy nisy namantarana azy intsony, fatin’olona iray natsingevan’ny honahona teny amin’ny fokontany Ambohidahy Ankadindramamy, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra ny fisian’io tranga io. Niantso ny manodidina, nozahana kinanjo fatin’olona efa nibontsina sy simba tanteraka io hitan’izy ireo io. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany izy ireo. Nigadona teny an-toerana […]