Miantso firaisankina ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mba hanatrarana ny tena fahaleovan-tena. Nohamafisiny fa mbola miankindoha tanteraka amin’ny firenena vahiny i Madagasikara ka zary miaritra fahatany ny fanatontoloana. Nanao lahateny fohy ho an’ny vahoaka malagasy, halina, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Nivoitra, tamin’izany, ny […]
Taratra
Fianarantsoa: maty ilay lehilahy voahitsaky ny kamiao
Nizara roa! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Ankazondrano, kaominina an-dRenivohitra Fianarantsoa, omaly maraina. Voahitsaky ny kamiao ilay lehilahy ka nisaraka ny vatany. Olona tsy vaovao amin’ireo mpivezivezy ao an-toerana, mpibata entana ao amin’ny toeram-piantsonana ao Ankazondrano, ity tra-doza ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra mazava ny […]
Ambohimanambola: maty novelesin-dramatoa fanoto ny vadiny, omaly maraina
Notanana atao famotorana ny renim-pianakaviana iray namono nahafaty am-badiny, teny Ambohimanambola. Maty novelesina fanonto ity farany, omaly maraina. Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray 57 taona, tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo, kaominina Ambohimanambola, ny alin’ny 25 hifoha ny 26 jona teo. «Niady izy mivady ary tsy nisy olon-kafa ankoatra azy ireo […]
Lalao andrasan’ny mpankafy: hifandona ny Oranje, Pays-Bas sy Lion de l’Atlas, Maroc
Firenena 18 no efa nahazo ny tapakila hiatrehany ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026», taranja baolina kitra. Efa voarafitra ny tabilao amin’izany, ahalalana izay hifandona. Hanomboka rahampitso ny dingana manaraka mialoha ny ampahefa-dalana amin’ny “Mondial 2026”, tanterahina any Canada sy i Mexique ary i Etats-Unis. […]
Asan-jiolahy: matin’ny fitsaram-bahoaka i Tidahy
Nofirain’ny fokonolona tamin’ny zava-maranitra, niendaka ny hodi-tavan’i Tidahy, olon-dratsy malaza ho mpamira antsy olona, tao amin’ny kaominina Ampasimbe, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Nandritra ny andron’ny tsena tao amin’io kaominina io, narahin’ny fokonolona maso i Tidahy. Nikendry mpanao volamena iray tao amin’ny tsena izy, saingy efa niandry kendry tohina azy ny fokonolona. […]





