Taratra

Fankatoavana lalàna: miankina amin’ny HCC ny momba ilay volamena atsy Maorisy

Hiverina hiasa, manomboka amin’ny herinandro ambony io ny eo anivon’ny HCC. Ma­romaro ireo asa sy vary mangatsiaka tsy mbola nankatoavin’izy ireo amin’ny lalàna nolanian’ireo parlemanta. Anisan’ny andrasana amin’ireo mpitsara etsy Ambohidahy ny fankatoavana na tsia ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fitsarana ho an’ny fanjakana maorisianina sy i Madagasi­kara. Miankina […]

Fitantanana sy andraikitra : hitondra fijery vaovao eo amin’ny politika i Durlin Retogniane

Iza izy ? Durlin Retog­niane ny anarany. 39 taona ary manam-bady sy niteraka roa. Anisan’ny fialamboly tiany ny mamaky boky sy mijery ho­ronantsary fanadihadiana “Do­cu­mentaire”, amin’ny fahitalavitra. Mankafy fanatanjahantena ary efa nanao ny taranja basikety sy ny ping pong koa izy. Anisan’ny gadona ankafiziny ny hiragasy, tsapiky sy ny salegy. […]

Ramamonjisoa Régis: “Tanterahina rehefa tenenina”

“Tokony hojerena amin’izay ny hoe: tanterahina raha nampanantena zavatra ny va­hoaka ny tena. Izay ny politika vaovao: tanterahina rehefa zavatra tenenina sy nampanantenaina”, hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madaga­si­kara (RMDM), sampana Ma­hajanga, Ramamonjisoa Régis, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. “Indraindray isika variana amin’ny hoe fampantenana”, […]

Andriamiarisoa Daniel: “Ny olan’ny vahoaka no mila fikaonandoha”

“Sao fotoana izao hanaovana fikaonandoha hijerena ny sosialim-bahoaka sy ny maharary ny vahoaka? Ma­nampa­haizana avokoa ny an­kama­roan’ireo mpanao politika. To­kony hisokatra ny rehetra fa tsy hiolonolona amin’izao fotsiny”, hoy ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Ma­lagasy(MHM), Andriamiarisoa Daniel, ma­noloana ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Raha tena tia tanindrazana ma­rina ny mpanao politika, […]

Ramamimampionona Gérard : “Afa-miara-monina ny maha malagasy sy ny maha kristianina”

Nahabe resaka sy adihevitra ny nisian’ny kristianina nanao fandroahana devoly sy nanao hira fiderana teny amin’ny doany amin’ny Rovan’Ambohimanga. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Afa-miara-monina ve ny maha malagasy sy ny maha kristianina? Raisiko amin’ny tenako: Malagasy aho sady kristianina.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny […]