Taratra

Jly Rakotomalala ; nandray ny fibaikoana

Tontosa omaly, teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny lanonana ara-miaramila nandraisan’ny Jly Rakotoma­lala Jean Herbert Andriata­hiana ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena (COM-GN). Lano­nana teo ambany fitarihan’ ny minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondra­zaka Andry, izay nanolotra azy ny fanevan’ ny zandarimariam-pirenena. Tonga nanome voninahitra ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta […]

Emergence de Madagascar: hanolotra kandidà ho an’ny IRD

“Raha te hanao politika ny tsirairay ka te handray andraikitra amin’ny firenena, manolotra anarana any amin’ny IRD hisafidy izay mamim-bahoaka ny Emergence Madagascar. Izay olona mety ho voafidy, manana traikefa sy fahaiza-manao, manana ny fahaiza-manentana ny vahoaka amin’ny fampandrosoana no hatolotra”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Emer­gence de Madagascar, Raboanarijaona […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka omaly ny lalaon’ olon-tokana, lahy sy vavy, amin’ny taranja tenisy am­bony latabatra, ho an’ny “Jeux Africain”. Nihintsana teo amin’ny dingana faha-64 ry Fabio, lehilahy, sy i Fitia, vehi­vavy. Tsara marihina fa mbola misy ny lalao « double » sy « par équipe » hataon’izy ireo. Hotanterahina manomboka anio, any Lomé Togo, ny […]

Tsipy kanetibe : nisongadina ny ekipan’ny CBT Analamanga

Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Fitaratra Malaza An­doharanofotsy, ny lalao fanokafana ny taom-pilalaovana 2024, ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ny federasiona sport boule malagasy (FSBM). Ni­songadina ny ekipan’ny CBT Analamanga, teo amin’ny senior olona telo miaraka, lehilahy, nahitana an’i Doda sy i Hery ary i […]