Taratra

Tselatra

Nahazo vahana ny fivarotana sakafo lany daty nandritra ny fankalazana ny fety teo. Betsaka ireo nitaraina ho narary kibo vokatr’izany. Ireo sakafo anaty boaty izany sy ireo bisky sy vatomamy no tena nahitana. Nirongatra ny fanendahana anaty taxi-be sy sinto-mahery teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be teto an-drenivohitra tao anatin’ny fety. Ireo […]

Tatitry ny polisy : 164 ireo olona voasambotra

Nahatratra 164 ireo olona voasambotra. Halatra miaro herisetra miaraka amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana toy ny basy iray. Miisa enina ny herisetra mampiasa fitaovam-piadiana antsy. Miisa 10 ny tranga na halatra miaro vaky trano. Asa fanendahana miisa 11. Halatra tsotra miisa 17. Halatra moto iray. Fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina miisa efatra. Nahatratra […]

Avaradrova: tratran’ny polisy ireo jiolahy mpangala-jaza

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Mo­rondava tao amin’ny fo­kontany Avaradrova Moron­dava, ny alatsinainy teo ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina hala-jaza. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, naharay antso an-tarobia ny polisy miasa ao amin’ ny kaomisaria foibe Moron­dava fa misy lehilahy mampiahiahy tompon’antoka tamina fangalaran-jaza tao amin’ […]

Halatra solika: roalahy tratra nangalatra 16 “jerricans”

Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha halatra solika an’ireo teratany sinoa mpanamboatra ny lalam-pirenena (RN5) mampitohy an’i Toamasina sy Ma­ro­antsetra. Voasambotra ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo, ireo roalahy voatondro ho nanao ny asa ratsy. Tratra teny amin’ny fokontany Ambi­na­ny, kaominina Marimbona , distrikan’i Soanierana Ivongo izy roa lahy. Mbola […]

Asan-jiolahy: vilany iray nitifirana raim-pianakaviana

Vono olona mahatsiravina miharo fandrobana ! Maty teo no ho eo ny raim-pianakaviana iray notafihan’ny jiolahy enina nitam-piadiana tao Antarata, fokontany Antongo, distrikan’Ivohibe ny 1 desambra teo. Nahazo antso avy amin’ ny solontenan’ny an­drimasom-pokonolona ny zandary fa nitrangana asan-jiolahy tao Antarata, ny alin’ny faran’ny taona teo. Nidina nijery ny zava-misy tao […]