Taratra

RN1 Zazalahy : 13 taona maty voahitsaky ny kamiao

Ankizilahy 13 taona maty tsy tra-drano nodonin’ny kamiao tapaka hisatra, tao amin’ny lalam-pirenena voalohany, Antan­drokomby Bemasoandro, afakomaly maraina. Nipo­tsaka tampoka ny hisatr’ilay kamiao. Nidina fidinana anefa ny fiara ka nifatratra avy hatrany tamin’ny sarety nentina mpianaka. Tsy afa-niala ilay kamiao nivatravatra intsony ilay zazalahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana […]

Ambohijanaka: Jiolahy telo maty voatifitry ny zandary

Lavon’ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy nikasa hanafika tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny sabotsy alina teo. Nahitana fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo… Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambohija­naka ny telo tamin’ireo jiolahy nikononkonona hanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, ny sabotsy tokony […]

Volley-CCZone 7 : hanao famaranana ny GNVB lahy sy vavy

Fahombiazana tanteraka no azon’ny ekipan’ny GNVB, omaly, nandritra ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball. Samy hiatrika ny famaranana, anio, ny GNVB lahy sy vavy. Voatazona aloha hatreto ny fanamby napetraky ny ekipan’ny Zandari­ma­riam-pirenena. Nambaran’ ny mpanazatra, Razafinjatovo Jean Honoré, tany am-piandohan’ity fifaninanana ity […]

Tsipy kanetibe : hahazo 2 tapitrisa Ar izay tompondaka

Hotanterahina, anio sy rahampitso, eny Tanjombato, ny fifaninanana ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe, sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay voahosotra ho tompondaka amin’izany. Homena 500 000 Ar kosa izay tompondaka amin’ny “doublette” sokajy vehivavy. Ankoatra izay, misy ihany koa […]