Nifarana omaly ny fanaterana ny antontan-taratasy (CV) ho an’ireo maniry ho eo amin’ny sekreteram-panjakana (SE) anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anjaran’ny filoham-pirenena avy eo ny mifantina ireo ho amin’izany toerana izany. Nivoaka tao amin’ny tambajotra kaonty “Linkedin” eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa miisa 765 ireo CV voaray hatramin’ ny fotoana […]
Taratra
TSELATRA
Sivy mianaka traboina vokatry ny haintrano nahatsiravina tao amin’ny fokontany Andakabe, Morondava, omaly tamin’ny 12 ora sy 45 mn atoandro. Nirefotra tampoka ny vatoharatra tao anatin’ny trano ka niteraka ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. Kila avokoa ny entana rehetra niampy ny firavaka sy ny vola. Lehilahy iray mpangalatra posy niharan’ny […]
Toamasina : Jiolahy roa lahy rotiky ny bala
Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny polisin’ny UIR nanao fisafoana alina ny jiolahy roa lahy nandray anjara tamin’ny fandrobana mpandeha posy tao Tanambao Toamasina, omaly. Norobain’ny jiolahy efa-dahy ny mpandeha posy iray tao Mangarivotra, tamin’ny 2 ora maraina. Nitsoaka nanao tongotra an-katoka ireo mpandroba taorian’izay. Nifanakaiky ny biraon’ny polisy io toerana io […]
Andohatapenaka : telo lahy nitam-piadiana lavo
Nifanenjehan’ny polisy, maty voatifitra ny jiolahy iray anisan’ireo nangalatra moto teo Andriantany, lalana mihazo an’i Mahitsy, omaly. Mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC1 no nahatsikaritra ny fandrobana nataon’ny jiolahy telo lahy. Nosakanan’ireo jiolahy ireo ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny faritra Andohatapenaka. Nalain’izy ireo ny moto nentin’io mpandalo io. […]
Fanafihana mahery vaika : Olona 4 natao takalonaina
Lasan’ny dahalo mitam-piadiana ny vehivavy roa sy ny lehilahy roa tao Brieville, Tsaratanàna, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 29 febroary teo. Nentin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika an-keriny ny vehivavy roa sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Tombokatsy, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratànana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, […]




