Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nitsikera ny tsy fahaiza-mitantan’ny filoha Rajoelina Andry ny lahatenin’ny filohan’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, afakomaly. “Tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana , ary ho mafimafy kokoa izany vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra”, hoy izy. Nohitsiny fa lasa voalohany amin’ny fahantrana ny vahoaka malagasy. Taona niainana fangirifiriana sy fijaliana ny […]

Taona hitondrana soa

  Hitondra soa sy fanambinana anie ny taona vaovao. Izay mandrakariva ny faniriana sy firariantsoa isaky ny tonon-taona toy izao. Eo koa ny hoe ho taon-jina, ho taom-pahombiazana, ho taom-pahasambarana… Ho tonga sy ho tanteraka ho azy amin’izao ve izany rehetra izany? Raha ny marina, tsy ny taona no hitondra […]

Filoha Rajoelina Andry : Ho taona hametrahana fanamby goavana ny 2025

Ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny famahana ny olan’ny jiro sy rano. Ho jerena ny fitsimbinana ny vahoaka. Ambony ny fanamby amin’ny fampahafantarana an’i Madagasikara any ivelany. Ireo no vontoatin’ny lahatenin’ny Filoha Rajoelina Andry, afakomaly. “Ity taona vaovao ity dia ametrahantsika fanamby goavana. Koa mino sy matoky aho fa ireo dingana atrehintsika […]

VAOVAO TAMBATRA

Hapetraka eny amin’ny PK 0 (lalambe migodana) Tsarasaotra ny toby herinaratra avy amin’ny masoandro. Hanana tanjaka 50 MW ity fotodrafitrasa ity, hanampy ny vokatra herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Ho vita mialoha ny aogositra 2025 ity fotodrafitrasa lehibe ity. Miisa 1 500 ny zana-kazo novolen’ny mpino katolika, diosezy Fianarantsoa, […]