Taratra

Nanenjika akoho: lehilahy natelin’ny rano tetsy Ambohimanambola

Namoy ny aina natelin’ny rano ny tovolahy iray, teny akaikin’ny tetezana, kaominina Ambohimanambola, omaly maraina. Nanenjika akoho so­mary nanamorona ny renirano izy, raha ny voalaza, kanjo nisolifatra tampoka tany anaty rano. “Efa somary ma­moma­mo izy raha ny angom-baovao”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria miasa ao Ambo­himanambola. “Lali­na ny rano ka nilentika […]

Ambohidratrimo: tovovavy iray hita faty naolana sy nokendaina

Hita faty tetsy Antsahabe, fokontany Tsaramandroso-Na­montana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady tamin’ny 07 ora maraina teo, ny tovovavy iray 25 taona. Nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Anosiala ny sefo fokontany vao nahita ny tranga. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo […]

Basikety: miakatra N1A ny klioban’ny Lucadro

Sambany eo amin’ny tantaran’ny Lucadro (Lutte contre l’analphabète et de la drogue) Analamanga no tafakatra N1A ity klioba ity. Fantatra iza­ny taorian’ny fifaninanana nasionaly N1B, natao tany Moramanga,  ny faran’ny herinandro teo. Tafapetraka eo amin’ny laharana faharoa ny Lucadro, eo amin’ny sokajy vehivavy, rehefa resin’ny Pin­tade Amoron’i Mania,  tamin’ny isa 80 no ho […]

“Circuit Training”: hahazo vola 2 tapitrisa Ariary ny voalohany

Hotanterahina ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny 4 jolay ho avy izao, ny fifaninanana ara-batana “Circuit Training à Madagascar”, andiany voalohany. Hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny Zaka Rise Mada, tohanan’ny orinasa Yas Madagas­car. Hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny laharana voalohany amin’izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra omaly, teny Andra­haro. Natokana […]