Nanova rafitra ny orinasa Jirama, taorian’ny tombana nataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, tamin’ ireo tale maherin’ny 40, ny faran’ny volana novambra teo. Namoaka lisitra tompon’andraikitra ambony vaovao, manodidina ny 100 ny filankevi-pitantanana, ny talata 13 desambra teo. Mandimby ireo tompon’andraikitra ambony voarohirohy amin’ny raharaha eny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny […]
Taratra
Taolagnaro : voatery manapaka jiro ny QMM
Nilaza tamin’ny Jirama sy ireo mpiara-miasa aminy ny QMM fa tsy afa-mihoatra (force majeur) amin’ny sehon-javatra sasany any Taolagnaro misakana azy tsy hamita ny fifanarahana. Izany dia noho ny sakana atao tsy ahazoan’ny QMM manao ny asany am-pilaminana nanomboka tamin’ny 1 desambra. Hatramin’ny nisian’io sakana io, mirongatra ny halatra isan-karazany […]
Antenimierampirenena: lany ny tetibola fanavotana ny Jirama
Nolanian’ny Antenimierampirenena farany teo ny fanovana nentin’ny Antenimierandoholona, fanovana tsy nasiam-panitsiana mikasika indrindra ny trosan’ny Jirama. «Tsy miditra lalina loatra amin’izay ny fanjakana satria ny fitantanam-bola ao amin’ ny Jirama misaraka tanteraka amin’ny fanjakana foibe. Saingy tsy afaka jerena fotsiny ny olan’ny Jirama dia tonga ihany ny fanjakana manampy», hoy […]
Vahiny miasa any ivelany: nitombo 5% ny fandefasana vola any amin’ny firenena niaviana
Manatsara ny fari-piainan’ny fianakaviany any amin’ny tany niaviany, ny vola alefan’ireo vahiny miasa any amin’ny firenena mandroso. Nihena ihany anefa izany tamin’ity taona ity, raha oharina ny nalefan’izy ireo ny taona 2021. Na eo aza ny krizy samihafa manerantany, milaza ny Banky iraisam-pirenena (BM) fa afaka nandefa vola any amin’ny […]
Indray mijery
Hiitatra manerana ny Nosy ny oram-baratra ho an’ny rahampitso ka hatramin’ny faran’ny herinandro, izay nanomboka tany amin’ny ilany andrefana sy ny faritra anatiny ary ny tany amin’ny ilany afovoany atsinanana. Voalaza fa ho mora kokoa ny fiforonan’ny oram-baratra amin’ity herinandro ity. Momba ny kalitaon’ny rivotra, hihatsara izany ho an’ny telo […]