Indray mijery

Hiitatra manerana ny Nosy ny oram-baratra ho an’ny rahampitso ka hatramin’ny faran’ny herinandro, izay nanomboka tany amin’ny ilany andrefana sy ny faritra anatiny ary ny tany amin’ny ilany afovoany atsinanana. Voalaza fa ho mora kokoa ny fiforonan’ny oram-baratra amin’ity herinandro ity. Momba ny kalitaon’ny rivotra, hihatsara izany ho an’ny telo andro manaraka raha mbola antonony izy ny fiandohan’ny herinandro teo, hoy ny sampandraharaha manara-maso ny kalitaony.

19 ny vatsim-pianarana natolotry ny governemanta sinoa ho an’ny tanora malagasy amin’ny lalam-piofanana maro ho an’ny taom-pianarana 2023-2024. Fepetra takiana ho an’ny mpangataka ny fananana ny mari-pahaizana Licence na Master. Mila mahafehy ny tenim-pirenena anglisy izay voamarin’ny taratasy manokana koa izy ireo ary manampy izany ny fahaizana ny tenim-pirenena sinoa (HSK level 3) satria ireo tenim-pirenena roa ireo no ampiasaina any amin’ny oniversite handray ireo mpianatra. Fepetra farany ny toe-batana salama tsara. Efa nifarana omaly ny fanaterana ny antontan-taratasy eny amin’ny sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana vahiny eny Ankadifotsy.

Partager sur: