Voaheloka higadra mandra-pahafatiny, miampy asa an-terivozona ny raim-pianakaviana iray. Novonoiny tamin’ny vely kobay sy maritoa ny vadiny. Mbola naolana koa na dia efa safotra aza. Efa dimy sahady izao ireo voampanga namoahana didim-pitsarana hanefa sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty miampy ny tsy fahazoana mivoaka ny faritra misy azy. Misy indray ireo […]
Taratra
Fianarantsoa : tratra ireo mpanao vola sandoka
Voasambotry ny polisy ireo jiolahy telo, malaza amin’ny fanaparitahana vola sandoka sy famakiana trano mitam-piadiana, any Fianarantsoa, ny talata teo. Marihina fa anisan’ny toerana nahitana vola sandoka mivezivezy sy vaky trano tany an-toerana. Maro ny olona lasibatr’izany asa ratsy izany ka nitaraina teny anivon’ny polisim-pirenena any an-toerana. Voalaza fa andian-jiolahy […]
Varotra basy: enin-dahy voasambotry ny zandary
Voararan’ny lalàna velona ny fivarotana basy tsy misy taratasy. Tamin’ity indray mitoraka ity, tra-tehaky ny zandary ny enin-dahy saika hivarotra izany an-tsokosoko tao Vondrozo. Voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina ireo jiolahy, ny asabotsy lasa teo. Tsiahivina fa naharay vaovao momba ity raharaha ity ny zandary avy ao Vondrozo, herinandro vitsy lasa […]
Fanafihana mitam-piadiana : lasan’ny jiolahy ny vola tapa-gony
Tao anatin’ny iray volana, mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ataon’ny jiolahy any Vatomandry. Lasibatra ny tsena iray any an-toerana ny alatsinainy tamin’ny 6 ora sasany hariva teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tsena iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsarasambo, distrikan’ i Vatomandry, ireo olon-dratsy. Norahonany ny Ramatoa tompon-tsena, nambanany tamin’ny […]
Famatsiana rongony : telo vavy sarona
Tra-tehaky ny polisy tetsy Iavoloha ireo telo vavy isan’ireo mpamatsy rongony eto an-drenivohitra. Nisy ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana mombana fiara taksiborosy avy any atsimon’ny Nosy nitondra zava-mahadomelina. Ny alatsinainy teo, narahi-maso avy hatrany ilay fiara ka tratra teo Iavoloha, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Araka izany hita teny […]