Taratra

Nanafika fiara nitondra vola : jiolahy 3 naiditra eny Tsiafahy

Nanaovan’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava fanadihadiana lalina, tratra avokoa ary naiditra eny Tsiafahy ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny Anjohy, ny sabotsy 10 febroary teo. Vehivavy ny iray amin’ireo olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny fanafihana fiara iray nitondra vola teny Anjohy, fiantombohan’ny volana febroary teo. Norobain’ireo olon-dratsy […]

Rugby : miofana ireo mpanazatra sy mpitsabo ary mpitsara

Niofana nanomboka ny talata teo, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ireo mpitsara sy mpitsabo ary mpanazatra manana ny “niveau 3” sy mpanomana ny ara-batana, ho an’ny taranja rugby. Mitarika izany, i Charles Yapo sy ny dokotera i Madani Fall, manam-pahaizana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (IRB), ampian’i Berthin Zoto, tomponandraikitra amin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Efa nanainga hihazo an’Antananarivo avokoa, ireo ekipa vehivavy U-23, avy any amin’ny faritra, hiatrika ny fifaninanana “De la rue vers l’or”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana hatao ny 16-18 febroary izao, eny amin’ ny Cnaps Vontovorona. Hatao eto Madagasikara, ny 21 avrily izao, ny “Gala International Fihezama”. Taranja 3 no hifaninanana […]

Volley-CCC Zone 7: anatin’ny fanomanana tanteraka ny GNVB

Ekipa malagasy iray handray anjara amin’ny fifaninanana « Championnat des Clubs Champions, Zone 7 » (CCC Zone 7), taranja volley ball, ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, lahy sy vavy. Fifaninanana hanomboka ny 24 Febroary izao eto Madagasikara. Higado­na afaka 10 andro ny fifaninanana «Championnat des Clubs Champions, Zone 7» (CCC Zone 7), taranja volley […]