Taratra

Vakinankaratra : hamaha ny olan’ny faritra ny Fiteva

Nihaona teny Ambatomi­rahavavy ireo avy amin’ny Fikambanana ifanampian’ny terak’i Vakinankaratra (Fite­va), ny asabotsy teo. Nirai­san’ny rehetra tamin’izany fa misedra olana ny any amin’ ity faritra ity. “Tsy afahany mi­voatra sy mandroso izany. Eo ny olan’ny fambolena sy ny fiompiana, velontenan’ny mponina”, hoy ny depioten’ Ambatolampy, Ramims. Nan­teriny fa mila fanohanana […]

Sekretera nasionalin’ny TGV : “Tsy vahaolana ny fitsipahana ny governemanta”

“Nifampiresahana tamin’ ny depiote fa raha esorina ny Praiminisitra; avy eo, hanolotra Praiminisitra vaovao, han­drafitra governemanta vaovao. Nefa ny fifidianana amin’ ny herintaona. Lasa lany an­dro amin’izany ny firenena”, hoy ny sekretera nasionalin’ ny TGV, Rasoamaromaka Hery, manoloana ny fitsipaham-pitokisana nandamoka. Tsy maintsy ifandeferana izany. Jerena ny tombontsoan’ ny Malagasy […]

Fiatrehana ny fifidianana: niantso fahamailoana ny filoha nasionalin’ny Tim

Nanamarika ny faha-20 taonany nijoroany ny Tim teto amin’ny faritra Matsitra Am­bony ny faran’ny herinandro teo. Nanatanterahana ny kongresim-paritra koa izany. Ni­atrika izany tany an-toerana ny filoha nasionaly sady mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc. “Tsapako ny fahoriana sy fahantrana mahazo ny vahoaka. Henoko avokoa ny fita­rainanareo eto Fianarantsoa, manoloana ny […]

Ramamimampionona Gérard : “Miantefa amin’ ny fiainam-bahoaka ny korontana”

“Efa mikorontana ny sain’ ny olona amin’ny fivelomana sy ny eny anivon’ny fiarahamonina. Miantefa hatrany amin’ny fiainam-bahoaka tsirairay ny fametrahana korontana na savorovoro eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny mpandinika fiarahamoanina, Ramamimam­pionona Gérard. Miantso ny rehetra samy handray ny anjara andraikitra manandrify azy avy izy, ary mba amim-pahamarinana mi­fanaraka tsara amin’ny […]

Vam, Hafari… : “Maro ireo jiolahy politika”

Nanao fanambarana ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena miisa telo, ahitana ny Hafari, ny Vam ary ny “Force feminine d’aide mu­tuelle”, omaly. “Miantso fitoniana sy fandraisana andraikitra izahay ary firaisankina fa maro ireo mpikaramanady sy jiolahy politika, manana tombony amin’ny korontana”, hoy izy ireo. Maro koa ireo manararaotra ho amin’ny tombontsoa manokana […]