Maty voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka tao anaty sasak’alina ny dahalo mpangalatra omby iray. Naka omby antsokosoko tao anaty vala, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy tao amin’ny fokontany Manapape, kaominina ambanivohitra Andranovao, distrikan’i Maintirano, afakomaly alina. Nigadona tao amin’io tanàna io ireo dahalo ireo tamin’ny misasak’alina. […]
Taratra
Ambohijanaka : mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka
Voasambotry ny fokonolona ny lehilahy 18 taona mpamaky trano tao Amboniakondro, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny an-toerana io tontakely io ka nibata ny volany sy izay nifanandrify taminy. Nitsaitsaika nivoaka moramora izy nitondra ny entana halatra. Tsikaritry ny manodidina anefa io mpangalatra io. Nifanenjehan’ ny […]
Fenoarivo Atsinanana : nanolo-tanana ireo traboina ny Tafika
Nanao izay ho afany ny Tafika malagasy, nanoloana ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsakorana tafahoatra tao an-tampon-tanàna Fenoarivo-Atsinanana. Nanetsika avy hatrany ny miaramila hisafo ireo trano dibo-drano ny Kaomandin’ny ZDS Pangalana, Jly Rakotoariso Andriantsoavina Henri Jocelyn. Nalaina tao amin’ny trano tamin’ny alalan’ny fampiasana vedety sy lakana ireo lasibatra. Nobabena ireo […]
Vokatry ny rotsakorana: Olona efatra maty, telo tsy hita popoka
Mbola mitohy ny rotsakorana ka nahazo filazana fampitandremana i Vavatenina, Fenoarivo-Atsinanana, Toamasina I-II ary Vatomandry hatrany Atsimo Atsinanana, Taolagnaro, Soanierana Ivongo, Mananara-Avaratra ary Maroantsetra. Efatra ny olona namoy ny aina vokatry ny orana nikija teto Antananarivo (boriborintany I) sy tany Mandoto, orana niseho ny 6 ka hatramin’ny 11 febroary lasa […]
INDRAY MIJERY
Hitohy hatramin’ny 18 febroary ny rotsakorana ho an’ny faritra avaratra, avaratra andrefana, avaratra atsinanana, afovoany atsinanana ary ny faritra sasany eto amin’ny afovoan-tany ka mety 100 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany. Nandefa filazana fampitandremana ny foibe famantarana ny toetry ny andro, vokatr’izany. Handefa maimaimpoana horonantsary japoney […]




