Taratra

Antoko Arema : nofanina haitarika ny tanora

Niofana nandritra ny telo andro ireo tanora Arema sy ireo mpikambana eo anivon’ ny mpianatra (Marema), ma­ne­rana ny distrika 119. Na­no­mpanana ny fanofanana tamin’izao fihaonambe izao ny mo­mba ny politika sy ny antoko. Eo koa ny haitarika “Leadership” ary ny lafiny serasera sy ny fifandraisana. “Ilain’ny tanora izany fiofanana izany […]

Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: hahemotra hatramin ’ny janoary ny fanisana mpifidy

Nanapa-kevitra ny Ceni fa hohalavaina hatrany amin’ny faran’ny volana janoary 2023 ny fanisana mpifidy, raha tokony hifarana ny faran’ny volana desambra izao izany, araka ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriamarotafika Ralaisoavamanjaka. “Mandeha ny fanisana mpifidy raha ny tany amin’ny faritra Amoron’i Mania”, hoy izy. Nefa ao anatin’izao fahavaratra izao, manararaotra ny filahatsahan’ny […]

Fanehoan-kevitry ny birao politikan’ny MMM: “Tsy marin-toerana intsony ny Andrimpanjakana…”

Naneho ny heviny, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ny eo an­ivon’ny antoko Malagasy mi­ara-miainga. Nohitsin’izy ireo fa tafiditra anatin’ny krizin’ny samy Andrimpanjakana ny firenena amin’izao. “Tsy marin-toerana intsony ireo Andrimpanjakana no­ho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fanarahan-dalàna”, hoy izy ireo. Niantso ny hampitsaharana sy ny fanapotehana ny firenena […]

Fitakian’ny KMF/Cnoe : “Hatsaraina ny lalàm-pifidianana”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, taorian’ny fivorian’izy ireo ny herinandro teo. Nivoitra ta­min’izany, tonga ny fotoana hanatsarana ny andininy vitsivitsy ao amin’ny lalàna 2018-008. Anton’izany ny hisian’ny fifidianana malalaka, andraisan’ny rehetra anjara sy eken’ny rehetra ka hitondra filaminana ary indrindra fa hahamarin-toerana ny kandida ho lany eo. “Fotoana izao […]

Fiaraha-miasa amin’ny UA: nofanina hisoroka krizy ireo vehivavy…

Nisokatra, omaly tetsy Ivandry ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy parlemantera, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina. Niompana amin’ny fisorohana sy ny fitantanana krizy izany. Nambaran’ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina (UA), eto amintsika, i Hawa Ahmed Youssouf fa anisan’ny kaontinanta tsy afa-bela fa mbola feno krizy i Afrika. “Zava-dehibe […]