Taratra

Fialamboly sy fanabeazana : kilalao miavaka ny «Tsimok’arret»

Nisy ny fanentanana momba ny lalao «Tsimok’arret», notanterahina teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, omaly. Ny ekipan’ny Alt’Istik no niandraikitra izany. Ny «Tsimok’arret» dia karazana kilalao natao sy noforonina ho an’ny ankizy mihoatra ny enina taona. Ankoatra ny maha kilalao azy, mampahafantatra ny ankizy mahakasika ny aretina azo […]

“Tsika Jiaby Festival” any Frantsa : niampy tarika malaza 14 ny mpandray anjara

Tsy mbola nisy toa ity, na teto Madagasikara aza! Ankoatra ireo tarika am-polony efa nambara fa ho avy, niampy indray ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “Tsika Jiaby Festival” any Frantsa. Ho fanandratana ny mo­zi­ka malagasy. Fanam­by goavana be ny an’ny Mam’s Event, izay mikarakara ny “Tsika Jiaby Festival”. Ity ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana famaranana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, taranja Lalao Echecs, tontosaina eny amin’ny Hôtel Destiny Ambohimangakely. Ny maraina no hanaovana ny famaranana ary ny hariva kosa fizarana mari-pankasitrahana. Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, Randresiarivony Anjaratiana, mpiangaly Jiu-Jitsu, tepana mainty. Hisy ny fizarana traikefa sy […]

«Afrobasket 2025» : manohy ny fampivondronana ny Ankoay

Na dia nofoanana aza ny fifaninanana, Pré-qualification «Afrobasket 2025″, nokasaina ho natao teto Madagasikara, mitohy hatrany ny fanomanan-tenan’ny Ankoay, amin’ny fiatrehana ny tohin’ny fifaninanana. Hisy ny lalao hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, anio sy rahampitso zoma, samy amin’ny 4 ora hariva. Ny ekipa “Reste du monde”, na ireo mpilalao […]

Kitra – “Can 2024” : efa niakatra kianja i Dimby

Ny alahady 14 janoary lasa teo no niakatra kianja voalohany i Dimbiniaina Andriantinarivelo, ilay Malagasy mpitsara baolina kitra any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, “Can 2024”. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Houphouet Boigny, Abidjan Côte d’Ivoire. Nandraisany anjara tamin’izany ny fihaonan’i Mozambique sy i Egypte, ho […]