Taratra

Ambolomadinika : jiolahy tratra teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy

Voasambotry ny polisy miasa ao Toamasina, afakomaly maraina ny jiolahy raindahiny niaraka tamin’ny antsy. Voarohirohy ho mpanao herisetra sy halatra ao Ambolomadinika ity jiolahy ity. Nanamafy ny polisy fa mitohy hatrany ny asa fa­mongorana ireo olon-dratsy mampitaraina ny vahoaka ao Toamasina. Nahitam-bokany izany satria tratra nanao ny asa ratsiny vao […]

Faravohitra : tratra ambodiomby Ra-Gista mpamaky trano

Voasambotry ny zandary mpanao fisafoana, omaly, teny Faravohitra, Ra-Gista. Mpamaky trano gagilahy sady mampikaikaika ny mponina eny amin’ny manodidina izy. Omaly, nisy nahita teo am-panaovana ny asa ratsiny ny lehilahy. Nampandrene­sina avy hatrany ny zandary ka tonga tsy nisy hatak’andro. Vokany, tratra ambodiomby ilay jiolahy ka dia noraisim-potsiny. Taorian’io, natolotra […]

Resaka « Champagne » : mpiasan’ny kaompania Air France sy Sofitrans hiakatra fitsarana

Hiakatra Fitsarana anio, etsy amin’ny tribonaly Anosy ny mpiasa roa avy ao amin’ny kaompania « Air France » sy « Sofitrans ». Voarohirohy amin’ny resaka « Champagnes » anakiroa izy ireo. Araka ny fanaza­vana avy amin’ny solonte­nan’ny mpiasa dia tamin’ny sidina mampitohy an’i Frantsa sy i Madagasikara no niseho ny […]

ESGN Moramanga : natsangana ny tetikasa “Santatra”

Matotra ny fiaraha-miasa! Tojonirina Deraina Toavina Stephano, 21 taona, tanora hofanina ao anatin’ny tetikasa “Santatra” iarahana amin’ny zandarimaria frantsay, amin’ny alalan’ny “détachement de la gendarmerie de coopération” sy ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenana (ESGN) ao Moramanga. Anisan’ireo tanora 10 mianadahy voafan­tina manaraka fio­fanana ao amin’ny ESGN Moramanga izy. Tao anatin’ ny […]

Fokontany Amorona, Ankorondrano : nohavaozina ny sisin’Andriantany

Notanterahina omaly ny fandraisana vonjimaika ny asa fanarenana ny sisin’ny lakandranon’Andriantany, izay vitan’ny fandaharanasa PIAA andiany faharoa. Nohatsaraina amin’ny alalan’ny fandrakofana bo­zaka ny sisiny havia eo amin’ ny tronçon 11 teny Ankoron­drano sy ny asa fanatsarana ny sisin’ny lakandrano An­driantany amin’ny ilany havia teny amin’ny fokon­tany Amorona, izay nahitana fihotsahana […]