Zandary iray niampy mpamily fiara nitatitra hazo an-tsokosoko naiditra am-ponja vonjimaika tao Moramanga, ny talata 12 septambra hariva teo. Voasakan’ny sampan-draharaha manokana misahana ny fiarovana ny ala tao Marovoay ny mpamily roa lahy niampy io mpitandro filaminana io ka natao famotorana tamin’io andro io ihany. Efatra mirahalahy mpamaky trano voasambotry […]
Taratra
Faran’ny herinandro: nandriaka ny ra, mpitondra moto iray maty
Tohivakana ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo. Lohalaharana tamin’izany ireo mpitondra moto. Namoizana ain’olona izany teny amin’ny Digue Andohatapenaka, ny sabotsy hariva teo… Tsy afa-bela hatrany fa sesilany ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny moto (kodiaran-droa) ny faran’ny herinandro teo. Raim-pianakaviana iray nitondra moto marika Racing King no maty tsy tra-drano rehefa […]
Efa nisy nidoboka am-ponja : lehilahy nahatrarana vola sandoka 4 alina Ar
Lehilahy iray nahatrarana vola sandoka nitetina 4 alina Ariary tao amin’ny tanànan’Ambodiriana, fokontany Tanambao 102, kaominina Anivorano Atsinanana, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Fotoan’ny Tsaboraha ao an-toerana tamin’io fotoana io ka nanararoatra nanamparitaka ny vola sandoka ireo olon-dratsy. «Mody mividy zavatra manodidina ny 8 000 Ar amin’ny vola sandoka 20 000 Ar […]
Varotra zava-mahadomelina : karohina Ra-bebe !
Ifampitadiavana Ra-bebe, vavy antitra 70 taona mahery. Ikoizana amin’ny fivarotana zava-mahadomelina eto an-drenivohitra. Ankoatra izay, mpitsindrona telo mianadahy voasambotra Malaza ratsy amin’ny fivarotana zava-mahadomelina Ra-Bebe. Vavy antitra efa 70 taona mahery, monina eny Ambohimanarina. Mpanaparitaka rongony amin’ny sakeli-tanàna maro eto an-drenivohitra izy, araka ny fijoroana vavolombelona ataon’izay mpidoroka tratra. Tovolahy […]
“The distinguished gentleman’s drive”: hiady amin’ny homamiadan’ny prostaty
Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny “The distinguished gentleman’s drive 2023” na fanehoana sy filatroan’ireo fiara tranainy. Hotanterahina ny alahady 24 septambra ho avy izao izany ka hampiantrano ny hetsika ny tanànan’ Antananarivo, amin’ ny alalan’ny kaominina. Io no nampahafantarin’ny “Iconique.mg” mpikarakara ny hetsika tamin’ny mpanao gazety, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao […]




