Taratra

Fakan-kevitry ny Ceni : tanjona ny fifidianana milamina

Ny dingana vita amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fampahafantarana momba ny tetiandrom-pifidianana, la­fin-javatra samihafa momba ny zotram-pifidianana… Ireo no hakan-kevitra sy hifampizarana amin’ny fihaonan’ny Ceni amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana, eny Alarobia, rahampitso. “Samy nantsoina na ny avy amin’ny fitondrana na ny avy amin’ny fanoherana. Eo koa ny avy […]

Solontena manokan’ny UA : “Antoky ny fampandrosoana ny fitoniana politika”

“Antoky ny fampandrosoana maharitra an’i Madaga­sikara ny fitoniana politika. Tomponandraikitra amin’izany avokoa ny mpisehatra politika sy ny olom-pirenena rehetra”, hoy ny solontena manokan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, tamin’ny fitsidihana fanaovam-beloma ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Mifarana ny fe-potom-piasany, izay nanomboka […]

Rabekijana Félix : “Tsy ilaina fa famotehana firenena hatrany ny fitondrana Tetezamita”

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitaky ny hanaovana fikaonandoham-pirenena hidirana amin’ny fitondrana Tetezamita ny mpanohitra sasany. Maneho ny fijeriny ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix: “Famotehana firenena hatrany ny Tetezamita. Efa nitranga teto amin’ny firenena izany tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Te­na ilaina […]

Hatsikana : tanjona ny hampiroboroboana ny “Stand up”

Nisy ny atrikasa ho an’izay lina te hahay sy hiantsehatra eo amin’ny karazana hatsi­kana “Stand up”, omaly, teny amin’ny “Kinga”, Mahama­sina. Ny fikambanana “Ko­medy Club” no nikarakara ity hetsika ity. Fampianarana ma­hakasika ny “Stand up” no na­meno ny fandaharam-potoana ny tapany maraina. Seho an-tsehatra nanehoan’ireo nianatra izay nampitaina taminy kosa […]

« Seho kanto » : hifandimby an-tsehatra ny Maf ‘B sy ny Voa’Art

« Voa’art », The National Orchestra of Madagascar. Araka ny anarany, orikesitra nasionaly Malagasy Folkloric Band na ny Maf’B, tropy nasionaly koa, miangaly ny hira sy dihy vakodrazana. Sam­bany vao nanana izany isika hatramin’izay. Na dia efa tamin’ny taon-dasa aza no ni­tsangana ny Voa’Art sy ny Maf’B, mbola anatin’ny fampahafantarana azy ireo […]