Taratra

Naiditra eny Antanimora : tratra ireo nangalatra fitaovana fivarotana hani-masaka

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’An­tanimora, afakomaly, ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny vaky trano eny Behoririka sy ny manodidina. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nifanehatra taminy izay tsy nampoiziny mihitsy. Tsika­ritr’ireo polisy mpanao fisafoana ny fihetsik’ireo jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany izy […]

Fikambanan’ny Liandra Mahery: tratra ny 11 amin’ireo tovolahy mpanao herisetra ao Toamasina

Ankoatra ireto 11 voasambotra, izay mandrafitra ny Fikambanana Liandra Mahery ao Toamasina ireto, ao anatin’ny fikarohana ny naman’izy ireo ny polisy ao Toamasina. Mbola samy mpianatra ao Mangarano II avokoa… Tohivakana ny fisamborana! Tovolahy ao anatin’ny fahatanorana 11 no indray voasambotry ny polisy tao Mangarivotra Ava­ratra Toamasina, nanomboka ny sabotsy […]

“Iray volana ho an’i Gabhy” : famelabelarana ny tohin’ny hetsika

Tontosaina anio eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny hetsika “Ny sora-piainan’i Gabhy”, hetsika tafiditra ao anatin’ny “Iray volana ho an’i Gabhy”. Famelabela­rana sy fampahafantarana ny nodiaviny tamin’ny fiainany no hatao amin’izany. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny ko­lon­tsaina, miaraka amin’ny Fikam­banan’ny Mpikanto teny sy soratra malagasy na FMTS no mikarakara ny hetsika. […]

Misaona ny baolina kitra : notolorana mari-boninahitra Rakotonirina Désiré na i Dezy Monstre

Niainga omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Maha­masina, hihazo ny faritra Amoron’i Mania, distrikan’i Fandriana niaviany, ny nofo mangatsiakan-dRakotonirina Désiré na i Dezy Monstre, kintan’ny baolina kitra malagasy. Mialoha izany, nisy ny fanolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National Malagasy» azy. Nitarika izany i Haja André Resampa, minisitry […]