Manomboka mahafantatra ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Maro ny efa saropiaro amin’izany ka mitandrina fatratra mba tsy ho very hasina. Manaja ny fomba sy mampita ho an’ny taranaka. Ankoatra ny isan-tokantrano, toerana na faritra maro manerana ny Nosy sy tany ivelan’i Madagasikara no mankalaza ny Taombaovao malagasy, omaly mitohy anio. […]
Taratra
Lisitry ny mpifidy: mandalo dingana ny fitsirihana
Fandinihana ny rindrambaiko sy ny asa amin’ny fikirakirana ny antontam-baovao, ohatra, fandinihana ny fisoratana anarana isaky ny fari-pifidianana, fandinihana ny fifanarahana ankapobeny ny mombamomba ny mpifidy voasoratra anarana… Ireo no anisan’ny dingana voalohany amin’ny fanaovana fitsirihana ny asa amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejistry ny lisi-pifidianana […]
Depiote Randrianasolo Nicolas: «Tokony hamory ny mpanao politika ny FFKM»
“Ny FFKM no tokony hotenenin’ny fitondram-panjakana hiantso sy hamory ny mpanao politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randrianasolo Jean-Nicolas. Miaraka amin’ny raiamandreny ara-drazana sy ny raiamandreny ara-tantara ny FFKM amin’izany. Rehefa tsy mety amin’ny fitondram-panjakana ny zavatra tenenin’ireo mpanao politika fa hita tokoa fa […]
Taombaovao etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto : mandrindra ny fifamezivezena ny ekipan’ny CUA
Miditra an-tsehatra sy mandray anjara amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana ny polisy monisipaly. Mandrindra ny fiantsonan’ny fiara koa amin’izao fankalazana ny Taombaovao izao, tanterahina omaly sy anio etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Narahin’ny fanambarana izany ny amin’ny tsy tokony handalovana amin’ny faritra manodidina ny kianjaben’i Mahamasina. “Hialana amin’ ny mety ho […]
Fandaminana ny fifidianana: mitaky ny tenierana ny MMM
Anisan’ireo nisintaka, nivoaka ny efitrano fivoriana teny Alarobia, afakomaly, ny avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga. Mazava ny nambaran’ny solontenan’izy ireo, ny Me Rakotomalala Rija momba izany. “Tokony hapetraka sy faritana tsara ny fandaharam-potoana ka eken’ ny rehetra sy iarahana tapahana vao miditra amin’ny fitsirihana ny rindrambaiko momba ny lisitry ny […]