Efa 12 andro aty aoriana, hita ihany ny vatana mangatsiakan’i Sefo Sedrick Nantenaina rehefa nanaovana tagnamaro ny fikarohana azy. Ny 8 marsa 2023 lasa teo izy no tra-doza rehefa niampita radier nihazo an’Ivohibe, niaraka tamin’ny lehiben’ny distrikan’ Ivohibe. Nisy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny zandary sy ny fokonolona tamin’ny fikarohana ny […]
Taratra
Lalamby Ampefiloha : jiolahy tratra teo am-panendahana vehivavy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny hery vonjitaitran’ny polisim-pirenena (FIP) teo amin’ny lalamby Ampefiloha, afakomaly ny jiolahy raindahiny iray mpanao sinto-mahery. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’io fotoana io no nahitan’izy ireo vehivay iray niantso vonjeo fa nisy nisintona ny findainy. Raha ny nisy teny an-toerana, lehilahy iray monina tsy […]
Ambalamanasy : ady tany niafara tamin’ny fifandonana, nandratrana olona
Raikitra indray ny fifandonana tao Ambalamanasy Toamasina, ny alahady maraina teo, momba ny raharaha ady tany miseholany any an-toerana. Voalaza fa tsy misy fiafarany mihitsy ny raharaha ady tany ao Toamasina. Tsy misy fanapahan-kevitra matotra raisin’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina II sy ny prefet ary ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina II, […]
Namono vady : noleran-drangahy antsy ny kibony avy eo
Disadisa tonga hatramin’ny vono olona. Raim-pianakaviana iray namono tena rehefa avy nifamaly sy namono an-dramatoa vadiny omaly, tany Andapa. Tranga mampalahelo. Niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina ilay tranga niseho tao Ambodifamba, distrikan’Andapa. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona no namono tena rehefa avy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny. […]
“Dis-moi dix mots” : manomboka anio ny fampirantina
Misokatra manomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny sabotsy 25 Avrily 2023 ny fampirantina “Dis-moi dix mots”. Eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, AFT Andavamamba no anaovana ny hetsika. Fampirantina manana tanjona fitaizana ny tanora, indrindra ny sainy. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny teny frantsay. Mpikarakara ny Aft Andavamamba […]