Taratra

Namidy antsokosoko: Pasitera nahatrarana moto halatra

Pasitera amina fiangonana tsy miankina iray nahatrarana moto halatra tao Fiana­ran­tsoa, ny 17 janoary teo. Nisy nangalatra ny moto iray tsy lavitra ny TPI tao an-toerana, ny 16 janoary lasa teo. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana, araka izany, ny tompon’entana very. Nanao ny fikarohana ny nahavanon-doza ireo tomponandraikitra. Tratra […]

Raharaha Nathalie : nalefa eny Tsiafahy ilay mpimasy

Niatrika mpitsara mpanao famotorana omaly ilay mpimasy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanolanana sy fanapahana ny lohan’i Nathalie, tovovavy 14 taona hita faty teny Faravohitra, ny talata teo. Niaiky ny heloka vitany hatrany ity mpimasy ity, nandritra ny famotorana lalina natao azy teny anivon’ny fampanoavana. Nohamafisiny manoloana ny fampanoavana hatrany fa […]

Clan Pyramide sy Stand of  : Andian-jaza maditra noravan’ ny polisy

Mihanaka manerana ny Nosy ny fikambanan-jaza maditra. Midoroka, manolana, mandroba, mamono izy ireo, araka ny fanazavan’ny polisy. Rava omaly ny Clan Pyramide sy Stand of. Andian-jatovo manodidina ny 14 hatramin’ny 18 taona izy ireo izay samy manana ny toerana ipetrahany. Mifanafika izy ireo ka lasa miteraka fitaintainana sy fikorontan-tsaina ho […]

Baolina kitra : nifindra ao amin’ny St Pauloise FC i Tsiry

Lasa mpilalao milaravinahitra any amin’ny Nosy rahavavy La Réunion, Randria­tsiferana Tokinantenaina Oli­vier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny vaovao voaray omaly, ao amin’ny klioba Saint Pauloise FC izy no hilalao. Marihina fa hiaraka amin’i Rojo be, Malagasy hirakiraka, izany i Tsiry kely. Efa niaraka nilalao tao […]

SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’i Rija, Nanou, Olivier ny lelavola 8 tapitrisa Ar, nandritra ny « Grand Prix », taranja tsipy kanetibe nokarakarain’ny Petanque Club Imerintsia­tosika. Fifaninanana izay natao teny Ambatomirahavavy, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo. Marihina fa notolorana vola 1 tapitrisa Ar ny faharoa. Manaraka fiofanana ao amin’ny klioban’ny Paris FC, France D2, […]