Miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika “Tana Design Week”, amin’izao fotoana izao. Hetsika tanterahina eny amin’ny Gara Soarano, nanomboka ny 11 hatramin’ny 18 marsa 2023. Mivelatra kokoa amin’ny any ivelany ity andiany ity raha oharina amin’ny teo aloha. Fiaraha-miasa eo amin’ny mpahay “ary raha” (design) malagasy sy vahiny avokoa ny […]
Taratra
Tafita i « Sesily »…: hisedra irery an’Antsahamanitra ry Oladad
« Sesily » aloha izao no hira mampandihy, tian’ny tanora kanefa ankafizin’ny lehibe koa. Ity hira ity koa no nanosika ny Oladad hisedra irery an’Antsahamanitra amin’izay. Tsy fanombohana anefa, fa tohin’ny laza efa nipetraka io ho an’ny tarika. Hitan-dry zalahy ny lalana ! Efa an-taonany maro no niezaka nametraka ny […]
Pr Ranjeva Raymond : “Tsy misy marimaritra iraisana ny fitakiana ireo Nosy malagasy”
“Hatramin’izao, mbola misy mitaky an’ireo Nosy ireo. Tsy vitan’izany fa miteniteny foana, milaza hoe mitady marimaritra iraisana. Tsy misy marimaritra iraisana, fa an’ny Malagasy ireo”, hoy ny filoha lefitry ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ) teo aloha, ny Pr Ranjeva Raymond. Tsy iadian-kevitra intsony eo anoloan’ny lalàna iraisam-pirenena ny maha malagasy an’ireo […]
Fampandrosoana eny ifotony : naneho firaisankina ny zanak’Isandra
Nahatsapa ireo zanak’Isandra fa tsy hita taratra ny fampivondronana ireo mponina any an-toerana, tao anatin’ny taona maro. Tonga anefa ny fotoana. “Anisan’ny fahombiazana ho amin’ny fampandrosoana ny fanehoana firaisankina sy ny fitambarana tahaka izao”, hoy ireo nandaha-teny tao amin’ny kaominina Soatanana, nanaovana ny hetsika. Nanterin’izy ireo fa tokony hatambatra ny […]
Fandrantoana fianarana any Maraoka : velon-taraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra
Tsy afaka ny hangina intsony. Mitaraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mampiana-janaka any Maraoka, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ izy ireo, omaly, fa tsy tanteraka ny fampanantenana nomen’ny fanjakana amin’ny hamerenana ny volan’ireo ray aman-dreny, nataon’izy ireo saran-dalana tamin’ny fiaramanidina “Billet d’avion”. Efa nilaza ary mbola nanamafy ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny […]