Taratra

Takaitran’ny rivodoza : nanampy ny traboina i Camille Vital

Tsy namela ho irery ny mpiray tanindrazana ny ambasadaoro any Maorisy, ny Jly Camille Vital. Naneho ny fiaraha-miory sy fiaraha-mientana ary fifanohanana amin’ny mpiray tanindrazana ny tenany ka nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina, noho ny rivodoza farany teo. Nitondra ny anjara birikiny tamin’izany, amin’ny alalan’ny antoko Hi­araka isika ka nandefa […]

Fiaraha-miasan’ny FES sy ny UE : hatsangana ny sehatra hanofanana ireo mpanao politika

Natao tetsy Ankadifotsy, omaly, ny fampahafantarana ny tetikasa ho amin’ny fanentanana ny olom-pirenena mba handray andraikitra amin’ny dingana eo amin’ny fifidianana. Miara-miasa amin’izany ny eo anivon’ny FES sy ny avy amin’ny delegasion’ny Vondrona Eoropeanina (UE). Anisan’ny kendren’ny FES ny hananganana sehatra ifanakalozan-kevitra ho an’ireo mpisehatra politika. Ao anatin’izany ny fanofanana amin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry mivady : ankizy 7200 nahazo fanomezana tany Atsimo Andrefana

Niverina tao Toliara in­dray, omaly, ny filoha Ra­joelina Andry mivady ary nizara kilalao sy kojakoja samihafa ho an’ny ankizy 2 hatramin’ny 14 taona, miisa 7 200. Tafiditra amin’ny tetikasa, iarahana amin’ny “Sama­ritan’s Pruse”, any Etazonia izy io ary mandray izany eto ny ONG Tetikasa ankizy krismasy (Tak). Fanomezana avy amin’ny […]

Mifampiana-dratsy !

Efa eny an-kianja ny mpilalao rehetra raha resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika no asian-teny. Samy efa manovokovoka amin’ny hetsika isan-karazany sy ny famoriam-bahoaka ny manana hoenti-manana amin’izany. Andaniny ny loko mavo, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ankilany ny loko volomboasary, miaraka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Ankoatra ireo, tsy azo […]