Manao ny fomba rehetra ny zandarimariam-pirenena miaraka amin’ny fifanomezan-tanan’ny fokonolona, manohy ny fikarohana ny G2C Randrianantenaina Sedrick. Zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ivohibe izay lasan’ny ranotrambo ny fiaran’ny lehiben’ny distrika nitondra azy teo amin’ny ranon’i Menarahaky, fokontany sy kaominina Analavoka, distrikan’Ihosy, faritra Ihorombe, ny 8 marsa 2023 atoandro lasa teo. Miangavy an-tanan-droa […]
Taratra
Fanodinkodinana zaza: teratany vahiny iray hadihadian’ny polisy
Nahoraka tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny zava-nitranga tamina fiangonana iray etsy Andavamamba, afakomaly. Voatondro ho saika hangala-jaza tamin’izany ny lehilahy iray teratany pakistane. Niantso vonjimaika ny polisy anefa ny ray aman-drenin’ireo zaza ka voasambotra ilay teratany vahiny. Ankehitriny, atao famotorana momba ny raharaha ny tenany ary hiakatra fampanoavana aorian’izay. Nianatra sekoly […]
Faritra Menabe : zandary iray maty voatifitry ny dahalo
Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray tao amin’ny fokontany Mitsinjo, kaominina ambanivohitr’i Befasy, distrikan’i Morondava, ny alahady maraina teo. Dahalo maromaro ireto nanafika ireto ka lasan’izy ireo ny omby tao amin’io fokontany io niaraka tamin’ny basin’olona iray. Tsy vitan’izay fa olona roa hafa koa voatifitra niaraka tamin’ilay zandary. Araka […]
Faritra Atsinanana : avoahy ireo ben’ny Tanàna migadra
Nivory ireo ben’ny Tanàna 84 mandrafitra ny faritra Atsinanana, ny 6 marsa lasa teo. Mitaky ny hamoahana ireo ben’ny Tanàna naiditra am-ponja rehetra izy ireo. “Atsaharo ny fanenjehana ny ben’ny Tanàna satria olom-boafidy tahaka ny rehetra ary avoahy ny ben’ny Tanàna naiditra am-ponja rehetra”, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Tokony […]
Fasana kaominaly Toamasina : novakin’ny jiolahy ny fiaran’ny mpandevina
Lasan’ny jiolahy ny vola sy ny entana lafo vidy tao anatin’ireo fiara tsy mataho-dalana an’ireo mpandevina tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, ny zoma tolakandro teo. Nandritra ny fandevenana ny vatana mangatsiakan’ilay mpandraharaha mpanefoefo sady fanta-daza teo amin’ny sehatry ny politika, nandritra ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka, no nitrangan’izany. Tonga marobe […]