Taratra

Sambo rendrika: hita ilay vehivavy bevohoka nitsoaka

Hitan’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy mitondra vohoka, anisan’ireo avotra tamin’ilay lozan-dranomasina ny sabotsy teo. Nitsoaka toy ireo namany hafa avotra tamin’ilay loza izy saingy hitan’ny mpitandro filaminana ny hopitaly nisy azy. Ankehitriny, hanokafana fa­motorana io vehivavy io sady manohy ny fitsaboana ihany koa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, nahatratra 22 ireo […]

Fampiasam-bola : nodinihana hatramin’ny 2019 ny volavolan-dalàna

Manome antoka ny mpa­mpiasa vola ny nandraisan’ny Filankevitry ny ministra ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Mada­gasikara. Nifampidinihana hatramin’ny taona 2019 niaraka tamin’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina rehetra, ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola, ny mpamatsy vola toy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Vondrona Eoro­penina. Tapaka teo anivon’ny Vao­miera CRDA […]

Ranomasimbe Indianina : omen-danja ny vehivavy mpanjono

Noho ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy, natao tao Rodrigues ny 10 marsa teo ny atrikasan’ny Federasiona mpanjono tranainy aty amin’ny ranomasimbe Indianina (FPAOI),* miara-miasa amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Atri­kasa nanomezan-danja ny vehivavy mpanjono aty amin’ny COI, anisan’izany Ma­da­gasikara. Afaka nandray fitenenana izay rehetra nanatrika nilazalaza momba ny asany, ny […]

Vidin’entana : tafakatra 1 100 Ar ny kapoakan’ny vary

Nahitam-piakarana ny vidim-bary teny an-tsena eto Antananarivo, nanomboka omaly. Lasa 1100 Ariary ny kapoakan’izany ho an’ireo mpivarotra madinika eny anelakela-trano rehetra eny. Voakasik’izany avokoa ny vary vokarina eto an-toerana rehetra. Toy ny vary gasy sy makalioka ary diste. Niakatra sy nanondrotra ny vidim-bary ny eny anivon’ny mpivarotra mpamongady raha ny […]