Taratra

Sendikàn’ny mpirakidraharaha: “Mamoritra ny minisitry ny Fitsarana”

Mbola tsy milamina? Na tsy vita ho azy amin’izao ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha 56… “Tena ialako tsiny, tsy napetraka hamaha olana ny minisitry ny Fitsarana fa natao hanery sy hamoritra”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, teny Antsahamanitra, afakomaly, momba izany. Raha mitaraina ny ankizy […]

Afrobaromètre: 70% amin’ny Malagasy ny mahatsapa fa miharatsy ny toe-piainana

Mahatratra fito amin’ny folo na 70% amin’ny Malaga­sy no mahatsapa fa miharatsy ny toe-piainana sy ny toekarena eto Madagasikara, araka ny vokatry ny fanadihadian’ny Afrobaromètre nampahafantariny teny Antaninarenina, afakomaly. Mihevitra ny 70% amin’ny Malagasy fa mizotra mankany amin’ny ratsy ny fiainana ara-toekarena eto Madagasikara. Manodidina ny roa ampahatelon’ny olom-pirenena no […]

SMM : “Mila jerena ny mampitarazoka ny fitsarana”

“Raha misy ny fanatsarana azo atao amin’ny maha filo­han’ny SMM ahy, jereo avokoa izay vesatra sy zavatra mampitarazoka ny raharaha ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana ary amin’ny raharaha ady ma­dio dia ny fehezan-dalàna mom­ba ny paikady madio”, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbi­­tanarivo, teny Antsahama­nitra, afakomaly, ny […]

Rajoelina Andry: “Hidina ny vidin-jiro”

Notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ilay foibe famokarana herinaratra etsy Farahantsana, Mahitsy. Betsaka ny tombony ho azo amin’izany tetikasa izany, araka ny nambarany. “Hanampy ny Jirama amin’ny famokarana herinaratra ity foibe ity ary ahafahana mamatsy ny tambajotra. Hanampy amin’ny fampidinana ny vidin’ny herinaratry ny Jirama koa”, hoy izy. Maherin’ny 150.000 […]

Entan-jaray mora zaka !

Vita soa aman-tsara ny fitokanan’ny ivontoerana mpamatsy herinaratra eny Farahantsana, Mahitsy. Nisento kely ny mponina Antananarivo, nihevitra fa hitombo ny famatsiana ka hihena ny delestazy. Tena efa tafahoatra ary anisan’ny teboka mainty sy loza mitatao eo ambony lohan’ny fitondrana, ankehitriny ny resaka famatsiana andaniny, ary vidin’ny jiro sy rano ankilany. […]