Taratra

Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina Mangoro: « Hanofana tanora amin’ny sehatry ny zavakanto », hoy ny filoha

Hampiasaina hamohazana sy hikoloana ny talentan’ireo tanora. Nahazo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ihany koa ny ao Moramanga. Hanampy betsaka ny sehatry ny zavakanto izany. «Maro ireo tanora nomen’Andriamanitra fahasoa­vana, fa tsy manana ny hoenti-manana hamohazana ny talentany. Homena azy ireo ity fotodrafitrasa ity. Hanofanana ireo tanora eo amin’ny zavakanto […]

FANTINA sy FINTINA

Vonona hanome tanana ny Antenimi­eran­doholona, noho ny tanindrazana, araka ny lahatenin’ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, nandritra ny fotoam-pamaranana ny fivoriana teny Anosikely. Notakiny ny hamoahana ny didy fampiharana ireo lalàna nolaniana. Nanambara ny mpisolovava Rafidison Eric, fa nahazo alalana hivoaka ny fonja telo andro, ny taona 2022, Rajaonah […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Mila vahaolana ny tsy fandriampahalemana”

“Ny hita sy tsapa dia mihamahery vaika hatrany ny fivoaran’ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny fakana takalon’aina. Eo koa ny fanapahan-doha. Fanapahan-ta­nana indray aza amin’izao fotoana izao, ary amoizana aina izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Raza­nama­hasoa Christine, namarana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimieram­pire­nena, teny Tsimbazaza, oma­ly. Eo ny fikaikaikan’ny olona amin’ny […]

Miandry vokatra

  Amperinasa tanteraka ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nanao ranolava ny fitokanana zava-bita, tany an-dRenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro, Moramanga. Nahoraka ny fety aman-danonana. Tsy nisy diso anjara fa saika ireo sampandraharaham-panjakana rehetra no nahazo ny anjarany. Ilay governora sy ny fametrahana ny faritra iray, Mangoro, sisa andrasan’ny […]