Taratra

Andriantsitohaina Naina: “Tranga politika ny fifofoana ny aiko”

Nanazava ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Niresaka mahakasika ny fifofoana ny ainy koa izy. Anisan’ny vaovao mahaliana ny mponin’An­tananarivo ny tohin’ny fifofoana ny ain’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Nitondrany valin-teny tamin’ny mpanao gazety rahateo izany, nandritra ny fandaharana manokana notontosainy niaraka tamin’ny haino aman-jery […]

Nanafika teny Ambohimalaza: jiolahy roa nadoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo jiolahy roa lahy malaza amin’ny vaky trano eny Ambohima­laza. Na­hazo fahafahana vonjimaika kosa ilay namany rehefa avy niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, ny alarobia teo. Tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao an-toerana, ny talata teo, ireo raindahiny mpamaky trano eny Ambo­hi­­ma­laza sy ny manodidina. Voasambotra nandritra […]

Toamasina : mpanao gazety fito lasibatry ny jiolahy

Niloa-bava ny farany, niantso ny tomponandraikitra sy ireo mponina ao Toa­masina hifarimbona amin’ny ady amin’ny asan-dahalo ny fi­kam­banan’ny mpanao ga­zety ao an-toerana (AJT), ny faran’ny herinandro teo. Nandri­tra ny taona 2022, mpanao gazety fito no indray lasibatry ny jiolahy tamin’ny fomba samihafa. Nisy ireo mpanao gazety very fitaovam-piasana sy orinasan-tserasera […]

Naiditra am-ponja: tovolahy nanolana zazavavikely efatra

Samy notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny fiakarany fampanoavana ireo roa lahy voasaringotra tamina raharaha fanolanana ankizy tsy ampy taona tao Toa­ma­sina, ny zoma lasa teo. Raim-pianakaviana iray mpi­asan’ ny kaominina ambanivohitra iray ao an-toerana no voatondro ho na­nolana ny zana-badiny. Niala sasatra tao amin’izy ireo ity zaza ity. Nony niverina tany […]

Fisafoana ataon’ny polisy: jiolahy sivy maty, 106 voasambotra

Tao anatin’ny tapa-bolana, nahatratra 106 ireo voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ireo fisafoana na­taony eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miisa sivy kosa ireo jiolahy lavo nandritra ny fifandonana. Tafi­ditra amin’izany ireo mpanao halatra miaro herisetra mitam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra. Tsy mitsahatra ny fisafoana na antoandro na alina ataon’ny polisim-pirenena, indrindra […]