Oxow – Fara West Faravohitra. Hitondra ireo mpankafy any amin’ny tontolon’ny « blues rock » indray ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Midadasikabe ny mozika lalaovin-dry Eric Rakotoary, Nali Rabarison, Titi Razakamiadana ary Andry Ramamonjisoa, mandritra izany. Ireo efa mpanaraka ny Oxow dia mahalala tsara ary tsy mety ho afapo. […]
Taratra
« Festival Fanorona » : tanjona ny hampahafantatra ny maha izy azy
Tanterahina anio sy rahampitso, eny eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Ambohidratrimo, ny “Festival Fanorona” andiany voalohany. Ho hita, mandritra izany, ny fifaninanana fanorona sy velakevitra manodidina izany. Hisy ihany koa ny tranoheva sy fampirantiana mahakasika ity kilalaon-tsaina malagasy ity. Mbola hisy ny hetsika maro samihafa entina mandravaka ity hetsika ity, ankoatra ireo. […]
Zara sehatra : haneho talenta ny Ny AngolaItokiana
Tarika mpiangaly bagasy anisan’ny manana ny mampiavaka azy ny Ny AngolaItokiana. Izy ireo no hanatanteraka voalohany ny « Zara sehatra » karakarain’ny Sehatra Bagasy ho an’ity taona 2024 ity. Anio 10 febroary, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, haneho ny talentany ireo mpikambana rehetra ao […]
Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina Mangoro: « Hanofana tanora amin’ny sehatry ny zavakanto », hoy ny filoha
Hampiasaina hamohazana sy hikoloana ny talentan’ireo tanora. Nahazo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ihany koa ny ao Moramanga. Hanampy betsaka ny sehatry ny zavakanto izany. «Maro ireo tanora nomen’Andriamanitra fahasoavana, fa tsy manana ny hoenti-manana hamohazana ny talentany. Homena azy ireo ity fotodrafitrasa ity. Hanofanana ireo tanora eo amin’ny zavakanto […]
FANTINA sy FINTINA
Vonona hanome tanana ny Antenimierandoholona, noho ny tanindrazana, araka ny lahatenin’ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, nandritra ny fotoam-pamaranana ny fivoriana teny Anosikely. Notakiny ny hamoahana ny didy fampiharana ireo lalàna nolaniana. Nanambara ny mpisolovava Rafidison Eric, fa nahazo alalana hivoaka ny fonja telo andro, ny taona 2022, Rajaonah […]




