Notsipihin-dRakotondrainibe Herivelo, manam-pahaizana amin’ny rano (hydrologue), fa fototry ny fiveloman’ny mponina ny fifehezana ny rano manoloana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Nosinganiny fa ampy tsara ny tahirin-drano any amin’ny faritra niasan’ny Base Toliara, araka ny fanadihadiana nataony. Manam-pahaizana amin’ny rano Rakotondrainibe Herivelo. Aminy, ilaina ny fametrahana drafitrasa mazava amin’ny sehatry ny […]
Taratra
Indray mijery
Nanaovan’ny ONG Cœur et Conscience hetsika manokana ireo zaza tsy misitraka ara-dalàna ny zony tao amin’ny kianja mitafon’Antsiranana I, ny faran’ny herinandro lasa teo. Notontosaina nandritra io fotoana io ny fizarana loka ho an’ireo mpianatra mendrika tamin’ny fifaninanana « Evénement de solidarité », « Génération Cœur et Conscience » ary […]
Anosy: mpiasan’ny fahasalamana 40 nofanina
Notanterahina tao amin’ny distrikan’i Beloha sy Tsihombe ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana 40 nahitana dokotera sy mpitsabo mpanampy ary mpampivelona. Tanjon’ny fiofanana ny hahafahany manatsara ny asany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy fandraisana marary. Avy any amin’ny faritra Androy, Anôsy ary Atsimo Andrefana izy 40 mianadahy ireo. Nohamafisina tamin’izany […]
Zon’ny ankizy: tsy maintsy mahalafo oviala vao misakafo i Safiry
Tovovavikely mipetraka ao Andranovory, sampanana afaka an’i Sakara, hiditra ho any Tongobory, faritra Atsimo Andrefana i Safiry. Mivarotra sosa na oviala no hahafantaran’ny maro azy, amin’ireo olona tonga mivezivezy eo Andranovory. Tsy maintsy mahalafo oviala izy vao afaka misakafo. Ankoatra izay, mangataka tavoahangy amin’ireo vahiny mivezivezy eo an-toerana izy hitaomany […]
FMMB: nankalaza ny andron’ny Baiboly
Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Baiboly ny Fikambanana mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara, omaly, teny Antaninarenina. Nanasana ireo solontena isam-piangonana misy eto amin’ny Nosy, toy ny avy amin’ny Anglikanina, Katolika, FJKM, Advantsita…. Nahitana fikambanana maro samihafa ihany koa tamin’izany. Anisan’izany, ny mpiara- mamaky ny baiboly, fampirasaina kristianana rehetra ho […]