Taratra

TARATRY ny KANTO

Oxow – Fara West Faravohitra. Hitondra ireo mpankafy any amin’ny tontolon’ny « blues rock » indray ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Midadasikabe ny mozika lalaovin-dry Eric Rakotoary, Nali Rabarison, Titi Razakamiadana ary Andry Ramamonjisoa, mandritra izany. Ireo efa mpanaraka ny Oxow dia mahalala tsara ary tsy mety ho afapo. […]

« Festival Fanorona » : tanjona ny hampahafantatra ny maha izy azy

Tanterahina anio sy ra­ham­pitso, eny eny amin’ny La­pan’ny Tanànan’Ambohidra­trimo, ny “Festival Fanorona” andiany voalohany. Ho hita, mandritra izany, ny fifanina­nana fanorona sy velakevitra manodidina izany. Hisy ihany koa ny tranoheva sy fampirantiana mahakasika ity kilalaon-tsaina malagasy ity. Mbola hisy ny hetsika maro samihafa entina mandravaka ity hetsika ity, ankoatra ireo. […]

Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina Mangoro: « Hanofana tanora amin’ny sehatry ny zavakanto », hoy ny filoha

Hampiasaina hamohazana sy hikoloana ny talentan’ireo tanora. Nahazo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ihany koa ny ao Moramanga. Hanampy betsaka ny sehatry ny zavakanto izany. «Maro ireo tanora nomen’Andriamanitra fahasoa­vana, fa tsy manana ny hoenti-manana hamohazana ny talentany. Homena azy ireo ity fotodrafitrasa ity. Hanofanana ireo tanora eo amin’ny zavakanto […]

FANTINA sy FINTINA

Vonona hanome tanana ny Antenimi­eran­doholona, noho ny tanindrazana, araka ny lahatenin’ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, nandritra ny fotoam-pamaranana ny fivoriana teny Anosikely. Notakiny ny hamoahana ny didy fampiharana ireo lalàna nolaniana. Nanambara ny mpisolovava Rafidison Eric, fa nahazo alalana hivoaka ny fonja telo andro, ny taona 2022, Rajaonah […]