Taratra

Manjakandriana : mpanao vola sandoka roa lahy nidoboka am-ponja

Nafangaron’ny olon-dratsy tamin’ny vola tena izy, nampiasainy nividianana kisoa ny vola sandoka. Tra-tehaky ny zandary izy ireo ka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Mody nanao trosa vi­dina kisoa, naiditra etsy Antanimora von­jimaika ireo roa lahy na­napa­ritaka vola sandoka tao Ambo­hitran­driamanitra, distrika Man­jakan­driana, afakomaly. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro fi­laminana ny olon-tsotra […]

MDN : voatendry ho talen’ny kabinetra ny Jly Bearson

Tontosa omaly teny amin’ ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny kabinetra teo aloha, ny Jly Rajaonarivony Alexan­dre sy ny tale vaovao, ny Jly Andrianaivohery Bearson. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nanatanterahana izany. Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafindra­tovo […]

Fari-dranomasina sy sisintany : manamafy ny fanaraha-maso ny APMF

Nohamafisin’ny eo anivon’ ny APMF ny fanaraha-maso ny fiaingan’ny sambo eny anivon’ny seranan-tsambo ara-dalàna. Nampihena ny loza an-dranomasina teny amin’ny seranan-tsambo ofisialy izany, araka ny fanambarana nataon’ izy ireo. Teo koa ireo fepetra noraisin’ny ladoany ka nahatrarana ireo trafika na teny amin’ny seranam-piaramanidina io na teny amin’ny seranan-tsambo. Manampy izany […]

CUA – Fetin’ny Paska: 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Antananarivo

Manodidina ny 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Anta­na­na­rivo aloha sy mandritra ny fetin’ny Paska. Hiaro sy hiandraikitra ny filaminam-bahoaka izy ireo mandritra izany. Ho fitandroana ny filaminam-bahoaka mandritra ny fetin’ny Paska. 445 ireo polisy monisipaly hahetsika ary hiandraikitra raharaha maro samihafa eto Antananarivo. Hiatrana manerana ny toerana rehetra izy […]

Egypta-Madagasikara : vahaolana amin’ny rano any Atsimo

Nihaona tamin’ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Ravokatra Fidi­ni­a­vo, omaly, ny masoivohon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rtoa Rabab Abdelhadi. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay eo amin’i Madagasikara sy i Egypta. Nambaran-dRtoa am­basadaoro fa maromaro ireo sehatra izay ahafahan’ny roa tonta miara-miasa, toy ny tetikasa andrana […]