Nampiomana ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, fa ahina ny fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina any amin’ny faran’ny herinandro. Hitoetra ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, ho an’ny roa andro voalohany. Hikisaka any amin’ny tapany avaratry ny Nosy kosa izany manomboka rahampitso. Efa nivoaka ny tetiandro […]
Taratra
Fan education” : mandefa tanora any ivelany
Hanatanteraka hetsika andiany fahenina, “Education Global Expo 2024” ny eo anivon’ny Fan Education Agency, ny zoma sy sabotsy izao, etsy Ankorondrano. “Natao ho an’ ireo mpianatra manam-paniriana handranto fianarana any ivelany io hetsika io ary ahitana sampam-piofanana samihafa ny tolotra ho amin’izany”, hoy ny tale jeneraly, i Fanambinana, tetsy Antanimena, […]
Holafitry ny infirimiera : nitory ireo 20 voalaza ho mpisandoka
Miroso ny fanenjehana ireo olona misandoka ho infirmiera nefa tsy nanaraka fiofanana. Ireo manana diplaoma indray no tsy voasoratra anarana ao anatin’ny «tableau de l’ordre» ka sokajiana ho mpisandoka, hoy ny filohan’ny holafitra. Olona 20 no efa nametrahana fitoriana tamin’ity herinandro ity. Miangavy ireo infimiera rehetra izy hanatona ny biraom-paritry […]
Reniranon’i Sisaony : loza manambana ho an’ ny lemak’Antananarivo
Miakatra be ny rano manodidina ny lemak’Antananarivo. Efa miloko mavo na loza manambana ny fanairana ho an’ny mponina amin’ny fiakaran’ny reniranon’i Sisaony. Nahazo filazana loza manambana, miloko mavo ny lemak’Antananarivo lalovan’ny reniranon’i Sisaony sy ireo kaominina manodidina toy ny ao Tsiafahy, Androhibe, Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanainga, anio, hihazo an’i Qatar, ny solontena malagasy, taranja lomano, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Malagasy mpilomano roa no fantatra fa hifaninana amin’izany, ahitana an’i Tendrinavalona Idealy sy Rahavel Jonathan. Vonona ny hiaro ny voninahi-pirenena ireto solontena ireto. Lavon’ilay maraokanina mpilalao tenisy, Karim Bennani tamin’ny seta 2 no ho […]




