Taratra

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Fandaminan-javatra ny fepetra noraisin’ny Atitany”

“Fandaminana ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany . Mba tsy ho tonga any amin’ny fihantsiana sy fifamonoana isika. Mafana ny rivotra politika ary hihamafana mandra-pahavita ny raharaham-pifidianana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote Rakotondrasoa Fetra. Anjaran’ny mpitarika po­litika sy ny olom-pirenena no mandamina izay. Mba tsy ho tonga any amin’ny fikasihan-tanana sy […]

Jly Ravelonarivo Angelo: “Tsy maintsy tsinjovina ny filaminam-bahoaka”

Nitondra fanazavana momba ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly. Nambarany tamin’izany fa ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenena no maniraka ny tomponandraiki-panjakana handray fepetra mitsinjo ny filaminam-bahoaka. “Mbola tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra azo anaovana hetsika famoriam-bahoaka an-dalambe izao. Eo amin’ny fanetsehana ny rantsa-mangaikan’ny antoko […]

67 ha : naiditra am-ponja Rasta mpanendaka

Naiditra am-ponja avy hatrany taorian’ny fanolorana azy ny fampanoavana, afakomaly, Rasta jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana eny 67 ha Avaratra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria, boriborintany fahafito (CSP7) izy, ny herinandro teo. Maro ny trangana tsy fandriampahalemana miseho lany amin’iny faritr’i 67 ha sy ny manodidina iny. Nandray fepetra […]

Nisandoka ho zandary : voasambotra i Sefo Fidy

Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Ivato, omaly. Nitondra ny anarana Sefo Fidy, nisoloky olona maro tamin’ny alalan’io fisandohana andraikitra io ity lehilahy ity. Angalany vola ireo olona ary milaza ho mahavita mandamina raharaham-pitsarana koa izy. Rehefa anantonan’ireo olona nandoa vola taminy izy andro vitsy taorian’ny […]

Tsy nahay nampiasa basy… : tratra ireo jiolahy mpanao fanafihana

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria (CSP) Maintirano ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny faritra Me­laky, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny halatra mitam-piadiana. Naharay antso ny polisy, misy andian’olona mandroba sady mampiasa fitaovam-piadiana tamin’io fotoana io. Nandritra ny kerimesy tao amin’ny fokontany Maro­doka, CU Maintirano no ni­tran­gan’izany. Nambanan’izy […]